Miezaka mafy mandresy lahatra ny vahoaka, ireo vondrona mpanao politika mankasitraka ny tsy filatsahan-dRajoelina sy Ravalomanana na ilay "ni...ni" amin’ny fifidianana.
Amin’izy ireo mantsy dia izay no vahaolana tsara indrindra hamahana izao krizy izao sy hametrahana fiaingana vaovao amin’ny fampandrosoana ny firenena. Tsy olom-baovao daholo tsy akory ireto ankolafin’ny "ni...ni" ireto fa misy ny efa nahazo toerana teo amin’ireo fitondrana nifandimby, ary tao aza no tena olona akaiky an’i Marc Ravalomanana mihitsy. Misy amin’ireo niseho azy ho tena mpanohana mafana fo ny filohan’ny tetezamita koa no mivadi-dela indray izao ka mitsipaka ny filatsahan-kofidiany. Eo koa ireo mpanao politika antsoina hoe mpikarama an’ady, tsy misongadina eto amin’ny firenena raha tsy misy fanonganam-panjakana na krizy, miseho ho manampahaizana sy tompon’ny ketrika rehetra, ary tompondakan’ny famadihana palitao. Tena mahazo aina izy ireo raha samy tsy kandida izy mianaka, izay heverina fa matanjaka. Malalaka ny lalana rehefa tsy eo intsony i Dada sy i Zandry Kely ka ho mora ny higalabona eo amin’ny fitondrana, dia izy samy mpamadika palitao ihany no mifamadibadika toerana eo. Anisan’ny tetika hanilihana an’i Marc Ravalomanana, ankoatra ny fampiasana ny fitsarana ity hoe tsy tokony ho kandida ity, izy sy ny filohan’ny tetezamita.
Raha manaiky ny tsy ho kandida tokoa mantsy i Andry Rajoelina dia lojika koa raha mijanona i Marc Ravalomanana satria izay ilay hoe hampandeferina ny hambom-po. Mety ho fandrika goavana ho an’ny filohan’ny tetezamita koa anefa izay, satria tsy misy antoka mazava milaza fa mety ho afaka milatsaka hofidiana izy afaka 5 taona. Iza no mahalala raha hivoaka koa ny dosie momba azy eny amin’ny fitsarana. Mahafantatra tsara ny filohan’ny tetezamita fa sarotra ny miverina eo amin’ny fitondrana rehefa tafala eo.
Resaka ka atao, fa raha ny tena marina dia maniry mafy ny ho lasa filoham-pirenena voafidim-bahoaka i Andry Rajoelina, ary efa nanoman-tena ho amin’izany. Fantany tsara koa anefa fa mbola matanjaka i Marc Ravalomanana, ka noho izany dia tsy maintsy atao ihany ny paikady isan-karazany, any ambadimbadika any. Raha tafaverina eo Ramose dia asa fotsiny, fa mety ho very an-javona ny faniriana sy ny nofinofy. Tsy fodian-dRavalomanana na ny tondrozotra na ny governemantan’ny fampiraisam-pirenena intsony izao, no adihevitra eo amin’ny mpanao politika, fa dia ny fifidianana, ary efa mba samy manao propagandy mialoha ny fotoana ihany aloha, sao mba hitsikian’ny vintana e !
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.