Efa hatramin’ny 1911 no nitahiry ny tsara ho fantatra rehetra momba ny rivodoza nandalo teto Madagasikara sy ny firafitry ny toetr’andro ny Météo na sampandraharaha mpamantatra ny toetr’andro.
Ireny tahiry ireny no nampitahaina tamin’ny zava-misy ankehitriny amin’ny alalan’ny solosaina matanjaka sy “logiciel” manokana ka hahafahana mamantatra 15 mialoha ny mety ho toetry ny andro eto amintsika. Ny sabotsy lasa teo moa dia nahazo fitaovana vaovao avy any Frantsa ny Météo etsy Ampandrianomby mba hahafahana manatanteraka izany asa izany. Anisan’ireo sampandraharaha tena matotra fomba fiasa sy efa nahay niomana ny amin’ny ho avy ny Météo, ka izay no tsy dia maha sahirana azy be loatra amin’ny asa ataony andavanandro. Ny zava-drehetra momba ny toetr’andro tato anatin’ny 100 taona izany dia mbola voatahiry, efa nahazo fiofanana maro koa moa ireo teknisianina Malagasy momba ny famantarana ny toetry ny andro, hany ka azo ambara hoe milamina ny asan’izy ireo.
Ny tsy aritra ao anatin’izany rehetra izany, dia tena mahavita zavatra matotra isika Malagasy rehefa tena miasa tsara sy mifantoka amin’ny andraikitry ny tena ary tsy mifantoka fotsiny amin’ny resa-bola fa mahay miainga amin’izay eo am-pelatanana aloha, fa tonga ho azy eo ihany ny fanampiana rehefa tsapan’ny olona fa matotra fomba fiasa ianao. Tsy dia re matetika izany hoe sampandraharaha mpamantatra ny toetr’andro izany, kanefa miasa isan’andro efa ho taonjato iray izay ; ny tsikaritra ihany koa dia teknisianina 100% no miasa ao, tia ny asany ary tena mahay ny asany, fa tsy anjakan’ny resa-pianakaviana tahaka ny any amin’ny ministera na sampandraharaham-panjakana sasany. Voaporofo izao fa azo atao ny manao zavatra tsara sy matotra ary manara-penitra, tahaka ny any ivelany eto amintsika, ary Malagasy dia efa mahavita azy. Ilaina kosa anefa ny fanampiana avy any ivelany. Raha matotra fomba fiasa tahaka ny meteo daholo, fa tsy variana amin’ny zavatra hafa ny ministera sy sampandraharaham-panjakana isan-tsokajiny eto dia azo antoka fa ho haingana ny fandrosoan’ity firenena ity.
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.