Nahemotra ho amin'ny zoma indray ny fe-potoana hananganana ireo vondrona parlemantera eny Tsimbazaza satria mbola sahiran-taina miady ny tombotsoany manokana ireo solombavam-bahoaka. Resy lahatra ny ankamaroan'izy ireo fa mila vola be sy fiara 4x4 tsirairay avy izy ireo fa mahatontosa ny asany.
Dia andron'ny fanovana marina tokoa angamba izao ka hisy ny fahagagana ka hiova tampoka ny eny amin'ny Antenimierampirenena ireny. Efa ho roapolo taona mahery tokoa mantsy no nanomezana fiara tsy mataho-dalana ny depiote, saingy tsy nisy mihitsy ny tomban'ezaka natao mba hahafantarana hoe nilaina marina ve ilay fiara, niasa ho amin'ny tombotsoan'ireo vahoaka mpifidy marina ve sa tsia ? Ny fanomezana fiara sy vola be marina ve no fomba tsara indrindra hampirisihana ny solombavam-bahoaka mba hiasa tsara ? Sao dia mba tokony dinihana lalina ity resaka ity fa tsy atao fafy katrana tahaka izao ny volam-bahoaka hampanan-karena ny sasany fotsiny.
Sao dia mba tokony hanamboaran-dalana ny vola aman-jatony miliara Ariary hividianana 4x4 ho an’ireo depiote, ka rehefa tsara ny lalana dia inona intsony moa no ilana fiara tsy mataho-dalana ? Iny eo ihany fa ny tena mampanahy dia ity fifampitakosinan'ny Governemanta sy ny Anteninieram-pirenena ity. Tena ilaina ny fiaraha-miasa saingy tsy mety kosa raha diso mifandray be loatra ny fahefana mpanatanteraka sy ny mpanao lalàna. Efa nisy ny minisitra iray nanasa solombavam-bahoaka maro be tamina hotely lehibe iray teto an-drenivohitra, izao indray mihaona tampotampoka tsy azon'ny rehetra atrehana ny Praiminisitra sy minisitra vitsivitsy ary ny solombavam-bahoaka. Ka anisan'ny lahadinika tao ny tombotsoa manokan'ny solombavam-bahoaka.
Taorian'ilay fihaonana dia toa nangiana tampoka ilay hoe : fitsipaham-pitokisana. Sao dia mba izany ilay antsoina hoe : kolikoly avo lenta e ? Tambazana vola na/sy fiara dia mikipy maso manoloana ny tsy mety ary tsy dia manakiana firy intsony. Efa tena nahasorena ny olom-pirenena tsotra ny fahafantarana ny famadihana palitao nataona solombavam-bahoaka maromaro nilaza azy ireo fa mahaleotena kanefa hay miankin-doha amina vondrona politika ihany. Nisy resaka fizarana vola tao anatin'izany rehetra izany. Tafatsangana ity ny governemanta dia io fa toa miverina ihany ilay endrika kolikoly avo lenta mampihavana ny mpifahavalo politika rehetra.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.