Actualités

Tsy Aritra Inona no tena marina ?


  • Talata 28 Aogositra 2012

Herintaona lasa izay no nahafatesan’ny minisitry ny mponina teo aloha Rtoa Nadine Ramaroson, raha iny izy hitodi-doha avy any Soanierana Ivongo iny ka niondrana an-tsambo tao amin’ny nosy Sainte Marie.

 Ny fianakaviany no nilaza fa mampiahiahy azy ireo ny nahafatesan-janany koa dia hanao fanadihadiana manokana izy ireo. Nambara tamin’izany fotoana fa tsy maintsy avoaka ny marina. Ny fanjakana moa dia efa nanatsidika resaka ihany tamin’ny fanadihadiana voalohany natao fa loza tahaka ny lozam-pifamoivoizana mitranga rehetra ihany izy iny dia nijanona teo ny resaka. Fa etsy sy eroa dia maro isan-karazany ny feo mandeha momba iny raharaha iny, nisy mihitsy aza ny fotoana nivoaka tamin’ny tranonkala ny andinin’ny voalaza fa tetika maizina no namonoana an’i Nadine Ramaroson. Ny antony moa dia voalaza fa toa hoe mahalala zava-miafina maro, indrindra fa momba ny trafika boaderozy izy, ka noho izany dia nanelingelina olona maro izany.

Tsy mbola nisy anefa ny tatitra mazava momba ny fanadihadiana mety natao ka mifandraika amin’izany ; ny fianakaviana Ramaroson rahateo dia toa nangiana ho azy izany fa tsy namoaka ny ambarany fa « tena marina » manodidina ny nahafatesan-janany. Betsaka rahateo moa ny toe-javatra nifamahofaho tao anatin’izao tetezamita izao, koa vetivety ihany dia adinon’ny olona iny loza nitranga tany Soanierana Ivongo iny. Hatreto aloha dia siosion-dresaka no betsaka fa tsy misy ny filazana amin’ny antsipirihany ny valin’izay fanadihadiana ; samy manantena anefa ny rehetra fa raha toa marina ka tsy loza tahaka ny loza rehetra izy iny, fa nisy ambadika hafahafa dia tokony ho sahy mijoro izay mahalala ny tena zava-nisy marina. Azo antoka mantsy fa tena hanova zavatra maro eto ny fiposahan’ny marina amin’izay fotoana izay. Somary mahery fomba fiteny sy sahy mijoro amin’ny tranga rehetra Atoa Alain Ramaroson, filoha lefitry ny CST amin’ny resaka filaminana sy fandriampahalemana ary dadatoan’Itompokovavy Nadine Ramaroson. Nahagaga ny maro anefa fa toa nangingina izany izy nony taty afara, tamin’ity raharaha ity, fa inona no antony ?

 
RTT
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Sekertera jeneraly
  • Alakamisy 07 Mey 2026

vaovaon’ny Minisiteran’ny jono

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alakamisy 07 Mey 2026

"Ny fizahantany dia afaka

  • Raharaha ENMG
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Ampiharo ny lalàna ! »

  • Fitrandrahana solika
  • Alakamisy 07 Mey 2026

any amin’ny Plateau Mahafaly

  • ZAZA 5 TAONA
  • Alakamisy 07 Mey 2026

NISY NAMONO TANY MANDRITSARA

  • ANKILILAOKA-RN 9
  • Alakamisy 07 Mey 2026

Sarona ny tambajotra mpitrandraka hazo tsy ara-dalana

Hijery ny tohiny
FTT