Actualités

Tsy Aritra Hivoaka ny anarana ?


  • Alarobia 29 Aogositra 2012

Mazava tsara tsy mivilivily ny tenin’Atoa Alain Ramaroson, omaly, teny amin’ny lapan’ny kolontsaina sy fanatanjahantena Mahamasina fa havoakan’ny fianakaviana ny marina rehetra momba ny namonoana an’i Nadine Ramaroson amin’ny volana septambra, raha tsy manao izany ny mpitandro ny filaminana nanatanteraka ny fanadihadiana.

 Manamafy ny fianakaviana Ramaroson fa tena nisy ny tetika namonoana ny minisitry ny mponina teo aloha fa tsy lozam-pifamoivoizana tsotra no nahazo ilay sambo Black Shark nitondra azy. Azo antoka fa hafana ity raharaha ity, satria andro izany no isaina dia tokony hivoaka ny marina rehetra. Ny fianakaviana dia efa manana porofo tsy iadian-kevitra raha ny filazan’Atoa Alain Ramaroson.

Midika izany fa na tsy tena fanadihadiana lalina no nataon’ny fitondrana tetezamita na nosarontsaronana tsotra izao ny antony nahatonga ny loza sy nahafaty ireo mpandeha 12 tao anatin’ny Black Shark, ka anisan’izany Rtoa Nadine Ramaroson. Sa ve misy anarana olona matanjaka voasaringotra ao anatin’ity raharaha ity, ka izay no tsy mety mampivoaka ny marina ? Aiza ho aiza koa ny andraikitry ny fitsarana, izay afaka manokatra fanadihadiana amin’izany ? Zovy no tsy nahalala fa nisy anarana voatonona ho tompon’antoka tamin’ny famonoana ny kolonely Richard Ratsimandrava, saingy hatramin’izao tsy nipoitra ny marina. Revolisiona goavana eo amin’ny tantaran’ny “grands dossiers” eto amin’ny firenena, raha toa ka mivoaka daholo ny marina ny tamin’ny nahafatesan’i Nadine Ramaroson ary horaketina ao amin’ny tantaran’ity firenena ity izany. Na ho ela na ho haingana dia tsy maintsy hisy ny anarana hivoaka e ! 

RTT
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • METFP,
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

Poste budgétaire 2023-2025

  • KAOMININA TALATAMATY
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

Hamboarina ny fefiloha

  • Niakatra fitsarana
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

noho ny afera « Boeing »

  • Fikojakojana ny
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

“décanteur Pulsator II” Mandroseza

  • Sehatry
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

ny angovo avy amin’ny masoandro

  • Groupe
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

des intellos Bezanozano

Hijery ny tohiny
FTT