Actualités

Tsy aritra Hipoitra eny ihany ny marina


  • Alatsinainy 17 Desambra 2012

Efa nampoizina ihany fa tsy hanova na inona na inona amin’i Andry Rajoelina ny fanetren-tena nasehon’ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana.

 Ny daty hanambaran-dRajoelina ny filatsahan-kofidiany fotsiny no mety nihemotra fa raha ny fahitana azy aloha dia tsy hihemotra amin’ny fanapahan-keviny intsony izy fa dia tsy maintsy ho kandida amin’ny 8 mey 2013. Tsy mbola nisy ny fotoana ka nandefitra izany ny FAT, mody mipirina tsy miteny izy, fa ny heviny ihany, no heviny. Raha nisy ny fandeferana avy amin’ny mpitondra tetezamita dia efa ela no nivaha ny krizy teto Madagasikara. Tsy ny olona tsy manana fahefana mihitsy no afaka midrikina sy manova zavatra, fa izay manampahefana na eo amin’ny fitondrana izany. *

Niara-nahita ny rehetra tamin’ny sabotsy lasa teo fa efa manao fihetsika kandida i Andry Rajoelina ary efa mipetraperaka ny paikadiny amin’ny resaka serasera, mandeha an-tanatohatra ny dingana rehetra, vita aloha izay ny fihetsiketsehana sy fambaboana ny fon’ny vahoakan’Antananarivo izay maro mpifidy indrindra eto Madagasikara, dia hitohy any amin’ny Faritra amin’izay ny fitokanana manomboka amin’ny volana janoary 2013. Tsy fantatra izay fiovana tampoka eny an-tenatenan-dalana eny, fa raha ny tombantomban’ny mpanara-baovao politika aloha dia mety mandritra ny kabary fanaony isaky ny voalohan’ny taona no hanambara amin’ny fomba ofisialy ny filatsahan-kofidiany i Andry Rajoelina. Izy rahateo efa nilaza tao Andohatapenaka fa amin’ny herintaona indray e !

Azo heverina ihany koa, hatreto aloha fa tsy nahavita nandresy lahatra azy, tahaka ny nataony tamin’ny filoha teo aloha ny SADC tamin’ny alalan’ny filoha Tanzanianina Kikwete, ary mety mba efa manana ny mpanohana azy matanjaka koa i Andry Rajoelina matoa tena matoky tena be tahaka an’io. Politika anefa no atao, ka misimisy ihany ny tampoka, tsy ampoizina mety hitranga eny am-pandehanana eny, tsy olonolom-poana fa anisan’ny tena mpanao politika miketrika raha i Marc Ravalomanana, ary tsy mba fombany ny milavo lefona izany, na dia mahay mandefitra sy manaja tena aza, izy. Inoana fa misy antony goavana matoa nanaiky ny tsy ho kandida i Dada, ary hikaroka ny fomba rehetra kosa hahatongavany eto izy, hahafahany manazava misimisy kokoa ny momba izany. Mila araha-maso akaiky ihany koa ny fihetsiky ny fianakaviambe iraisam-pirenena, izay azo antoka fa efa manana ny kajiny momba ity Madagasikara ity, satria tsy tongatonga ho azy ireny zava-drehetra niseho ireny, ary dia hipoitra tsimoramora eny ihany ny marina. Samy manana ny kajiny io e !

 

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Sekertera jeneraly
  • Alakamisy 07 Mey 2026

vaovaon’ny Minisiteran’ny jono

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alakamisy 07 Mey 2026

"Ny fizahantany dia afaka

  • Raharaha ENMG
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Ampiharo ny lalàna ! »

  • Fitrandrahana solika
  • Alakamisy 07 Mey 2026

any amin’ny Plateau Mahafaly

  • ZAZA 5 TAONA
  • Alakamisy 07 Mey 2026

NISY NAMONO TANY MANDRITSARA

  • ANKILILAOKA-RN 9
  • Alakamisy 07 Mey 2026

Sarona ny tambajotra mpitrandraka hazo tsy ara-dalana

Hijery ny tohiny
FTT