Actualités

Tsy Aritra Efa nampoizina e !


  • Alakamisy 23 Aogositra 2012

Nilaza ny antoko TGV fa mahafeno tsara ny fepetra amin’ny kandida ho filoham-pirenena ny filohan’ny tetezamita Andry Rajoelina.

 Fanambarana lôjika be taorian’ny resaka nataon’ny filohan’ny tetazamita ny alahady lasa teo io, ka namoahany ny tsiambaratelon’ny dinika tany Seychelles. Raha tsiahivina kely ny teniny dia ny hoe . « efa nandroso soso-kevitra ny amin’ny tsy hilatsahako hofidiana aho, raha toa ka manaiky ny tsy hanakorontana intsony sy tsy hiverina eto Madagasikara raha tsy aorian’ny fifidianana ny filoha teo aloha. Tsy nekeny anefa ilay izy, ka noho izany dia efa tsy eo ambony latabatra intsony io soso-kevitro io …Ambarako amin’ny fotoana mahamety azy raha ho kandida ihany ny tenako na tsia ». Tsy misy adihevitra be intsony ny amin’izay fa dia manomboka indray izany izao ny fanolorana an’i Andry Rajoelina ho kandida amin’ny fifidianana filoham-pirenena ny 08 mey 2013, ka namaky lay ny antoko TGV. Azo antoka fa hanao ranolava ny fanambarana antoko sy fikambanana ato ho ato, miangavy na mangataka ny filohan’ny tetezamita ho kandida.

Tsy maintsy hikaroka ny fomba rehetra i Andry Rajoelina mba hanaporofoana fa mangetaheta ny filatsahan-kofidiany ny vahoaka, dia ho marobe ny fanambarana miendrika toraka voninkazo manomboka izao. Mifanindran-dalana amin’izay dia hanao izay faraheriny amin’ny fanaratsiany ny filoha teo aloha ireo mpomba ny filohan’ny tetezamita mba entina hilazana fa tsy mety aminy intsony ny milatsaka hofidiana.

Tetika efa fantatra hatramin’ny ela izy io, fa tsy hoe vao taorian’ny fanasoniavana ny tondrozotra na ny dinika tany Seychelles. Efa mazava ny tanjona tamin’ny 2008-2009 fa arodana i Marc Ravalomanana, potehana ny momba azy rehetra ary tsy avela hiverina eto intsony izy no sady tsy avela hiverina eo amin’ny fitondrana.  Dia asa moa izay ho tohin’ny asa fanelanelanana ataon’ny Sadc sy ny hevitry ny fianakaviambe iraisam-pirenena, fa raha i Andry Rajoelina sy ny ekipany aloha dia efa manonofy ny hitantana an’ity Madagasikara ity mandritra ny fotoana maharitra. I Marc Ravalomanana amin-dry zareo dia  efa tantara sisa, fihetsiketsehana fotsiny ny ankoatra izay. Efa nampoizina e !

 

 

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Sekertera jeneraly
  • Alakamisy 07 Mey 2026

vaovaon’ny Minisiteran’ny jono

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alakamisy 07 Mey 2026

"Ny fizahantany dia afaka

  • Raharaha ENMG
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Ampiharo ny lalàna ! »

  • Fitrandrahana solika
  • Alakamisy 07 Mey 2026

any amin’ny Plateau Mahafaly

  • ZAZA 5 TAONA
  • Alakamisy 07 Mey 2026

NISY NAMONO TANY MANDRITSARA

  • ANKILILAOKA-RN 9
  • Alakamisy 07 Mey 2026

Sarona ny tambajotra mpitrandraka hazo tsy ara-dalana

Hijery ny tohiny
FTT