Actualités

Tsy Aritra Aza mitsara, mba tsy hotsaraina !


  • Zoma 24 Aogositra 2012

Tsy niandry ela, fa omaly ihany dia totoafo ny fanakianan'ny onjampeo tsy miankina iray, teto an-drenivohitra ny vokatry ny fifidianana nandritra ny synoda lehiben'ny Fjkm tany Manakara farany teo.

 Raha tsiahivina moa dia samy mbola tafaverina amin'ny toerany ny mpitandrina Lala Rasendrahasina ( filoha) sy Atoa Marc Ravalomanana (filoha lefitra laika) ao amin'ny birao foiben'ny Fjkm. Nanakiana mafy ary manome lesona ireo lohandohan'ny mpisorona ao amin'ny Fjkm, ireo mpanentana tao amin'ity onjampeo ity. Ny mpitandrina Rasendrahasina dia nambara fa tsy ny fivavahana no nampalaza azy fa ny tranga teny amin'ny Episcopat tamin'ny 2009. Atoa Ravalomanana moa dia nosoram-potaka tanteraka, ka nambara fa malaza ratsy amin'ny halatra, lainga, famonoan'olona, fanangonan-karena, fandrebirebena ny vahoaka malagasy sy ny mpino Fjkm. Raha tsorina ny resak'ireto mpanao fanadihadiana tao amin'ny onjampeo tsy miankina, omaly antoandro ireto dia misy olonolom-poana sy jiolahy izay voafidy ho mpikambana ao amin'ny birao foiben'ny Fjkm. Dia vaka ihany ny saina aman'eritreritra manoloana ny fahasahiana tsy roa aman-tany, manakiana tahaka izany.

Fiangonana sy fivavahana mantsy ny resaka eto fa tsy politika na fitondrana na fiainan'antoko. Mampanontany tena ihany ny hoe: mahalala sy mahafehy tsara ny zavatra noteneniny ve ireto mpanentana fandaharana ireto ? Fantatr'izy ireo ve ny resaka hoe finoana sy fivavahana ? Hainy ve ny foto-kevitra ijoroan'ny Fjkm sy foto-dalàna ary fitsipika ifampitondrana ao ? Hain'izy ireo tsara ve ny fizotry ny fifidianana mandritra ny synoda lehibe ? Ary ny tena zava-dehibe dia ny hoe : moa va fantatr'izy ireo izany atao hoe sitrapon'Andriamanitra, ny famaizana sy fitsapana ary famonjena eo amin'ny sehatry ny finoana ? Raha nahalala izany izy ireo dia ninoana fa hafa kokoa ny endrika nitondrany ny famakafakana. Raha ny tokony ho izy tokoa mantsy dia tsy mijery olona izany, amin'ny resaka finoana sy fivavahana; tsy ilay tsangan'olona no zava-dehibe ary ny Fjkm manokana dia mihevitra fa fitaovana fotsiny ihany ny olombelona, na mpitandrina izy, na diakona na mpiandry, fitaovana ampiasain'Andriamanitra.

Ary tsy misy na dia iray aza ka madio sy tsy manota raha mbola olombelona ihany. Andriamanitra rahateo dia efa nanambara hoe:" ny fihevitro tsy fihevitrareo...Ny fihevitry ny nofo dia nofo, ary ny fihevitry ny fanahy dia fanahy”. Raha tena mpino Kristianina marina dia mino fa Andriamanitra irery no tompon'ny teny farany, izy no nanome ary izy koa no maka, izay sitrapony ihany no tanteraka. Farany, tsara ho fantatra ihany ho an'izay tsy mbola mahalala, na nanadino fa tsy dia fanao ny mitsara na manaratsy olom-boahosotra tahaka ny hoe pastera, mompera... ka hilaza fa mety na tsy mety ny zavatra nataony. Amin'ny maha olom-boahosotra azy izany mantsy dia olom-boafidin'Andriamanitra manokana izy, ka efa tsy mitovy lenta intsony amin'ny olon-tsotra. Andriamanitra no nametraka azy, dia Andriamanitra irery ihany no afaka manaisotra azy eo amin'izany toerana izany. Araka ilay hira iray izay dia tsy misy azo hanaovana kolikoly izany ny fitsaran'Andriamanitra fa samy tsy maintsy hizaka ny nataony ny tsirairay avy any aoriana any. 


RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Sekertera jeneraly
  • Alakamisy 07 Mey 2026

vaovaon’ny Minisiteran’ny jono

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alakamisy 07 Mey 2026

"Ny fizahantany dia afaka

  • Raharaha ENMG
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Ampiharo ny lalàna ! »

  • Fitrandrahana solika
  • Alakamisy 07 Mey 2026

any amin’ny Plateau Mahafaly

  • ZAZA 5 TAONA
  • Alakamisy 07 Mey 2026

NISY NAMONO TANY MANDRITSARA

  • ANKILILAOKA-RN 9
  • Alakamisy 07 Mey 2026

Sarona ny tambajotra mpitrandraka hazo tsy ara-dalana

Hijery ny tohiny
FTT