Actualités

Tsizaraina Emile Nodimandry omaly tao Fenoarivo Atsinanana


  • Alatsinainy 04 Mey 2015

Nodimandry omaly alahady 03 mey tao Fenoarivo Atsinanana Atoa Tsizaraina Emile, rehefa nolazoin’ny aretina nandritra ny taona maro. Atoa Tsizaraina Emile dia profesora momba ny “sciences de la terre”, taranja izay nampianariny teo anivon’ny oniversiten’i Toamasina sy oniversite maro nanerana ny Nosy

 

. Efa rektoran’ny oniversiten’i Barikadimy koa ny tenany nandritra ny nananganana ny CUR na “Centre Universitaire Régional” tao Toamasina. Efa filoha delegasionin’ny faritanin’i Toamasina ny tenany nandritra ny fitondrana niverenan’ny filoha Ratsiraka ny taona 1998 sy taorian’ny nandraisan’ny filoha Ravalomanana fahefana ny taona 2002. An-kilan’izay, dia “consultant” ny Banky Iraisam-pirenena teto Madagasikara ny tenany ankoatra ny naha efa Sekretera jeneralin’ny minisiteran’ny Atitany azy ihany koa. Andrasana ao Fenoarivo Atsinanana ao amin’ny tranon’ny zanany ao Amparanantanana ny vatana mangatsiakany, mialoha ny hanitrihana ny razana ao Fenoarivo Atsinanana ihany. Mirary fiononana ho an’ny fianakaviany rehetra ny gazety Tia Tanindrazana manontolo.

 

Rakoutou

 


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • 48 ora taorian’ny
  • Zoma 23 Oktobra 2026

fanambaran’ny PRRM

  • SALON
  • Zoma 23 Oktobra 2026

INTERNATIONAL DE L’HABITAT

  • Fandraharahana
  • Zoma 23 Oktobra 2026

ara-pizahantany

  • GRANDE BRADERIE
  • Zoma 23 Oktobra 2026

DE MADAGASCAR

  • Ady amin’ny kolikoly
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ara-tany goavana Andrasana ny

  • Lalàna mifehy
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ny fampiasana ny teknolojia nokleary

Hijery ny tohiny
FTT