Velon-taraina ireo mpisehatra amin’ny fiompiana omby mivondrona ao amin’ny FIMPI Omby manoloana ny famotsoran’ny fitsarana ilay olona voalaza fampanasonia ny taratasin’omby hosoka tany Tsiroanomandidy.
Olona 8 no voasambotry ny zandary ny volana novambra teo noho ny resaka halatra sy trafikana omby. Niakatra fitsarana izy ireo ny alatsinainy 4 desambra teo ka ny olona roa nampidirina am-ponja vonjimaika fa navotsotry ny fitsarana kosa ny olona 6 hafa,anisany ilay voatondro ho mpanasonia ny bokin’omby hosoka.Manaitra ny sain’ny tompon’andraikitra isan-tsokajiny izahay manoloana izao zava-misy izao, hoy Randrimbielison William avyaoamin’ny FIMPI Omby Madagasikara fa tena misy zavatra tsy milamina.Olona efa fantatra izao fa mpanasonia taratasin’omby sandoka ve dia avotsotra.Izao no mampirongatra ny asan-dahalo sy ny halatr’omby any amin’ny faritra Bongolava, hoy izy.Matanjaka ilay tambajotra ary tsy voakitikitika mihitsy ireo mpanadio taratasin’omby.Voalaza moa fa mpiasam-panjakana ao amin’ny kaominina Kiranomena ao anatin’ny distrikan’i Tsiroanomandidy ity olona mpanadio taratasin’omby navotsotry ny fitsarana ity, hoy hatrany ny filohan’ny FIMPI Omby Madagasikara.
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.