Actualités

Tsingerin-taonan’ny amiraly Omby roa no novonoina tao Toamasina


  • Alatsinainy 08 Novambra 2010

Ny sabotsy tontolo andro teo no nankalaza ny tsingerin-taona faha-74 nahaterahan’ny Amiraly Ratsiraka ireo kamarady Arema tao Toamasina.

Lanonana izay notanterahina tao Mangarivotra misy ny sekolin’ny anabaviny, Rtoa Jacqueline Ratsiraka. Omby roa fanomezan’ny Amiraly no natao nofon-kena mitam-pihavanana teo amin’ny samy mpikatroka sy mpanohana ny antoko, ary nandritra ity fankalazana ity ihany koa no nivoahan’ireo fanamiana vaovao efa nomanina amin’ny fitsenana makotroka ny fahatongavany eto Madagasikara, izay nambaran’ireo Arema ireo fa tsy mihoatra intsony ity volana novambra ity. Tsy nisy fidirana mivantana nataon’ny Amiraly Ratsiraka tamin’izao lanonana tao Toamasina izao, fa hafatra am-bava nataon’ireo mpanentana nampahery sy fanentanana ny mpikatroka tsy hanaiky atao fitaovana fampisaraham-bazana amin’ity fitsapan-kevi-bahoaka hataon’ny fitondrana FAT amboletra ity, no nisy.

Efa nambaran’Atoa Ratsiraka Didier hatrany mantsy fa « ny fampihemorana sy fanafoanana mihitsy ity fitsapan-kevi-bahoaka ity no vahaolana voalohany tsy hisian’ny krizy vaovao indray », ary nambarany hatrany fa « ho avy aho miaraka amin’ny soso-kevitra roa na telo hialan’ny Malagasy anaty krizy misy ankehitriny, ka tena hisy amin’izay ny tena fihavanana eo amin’ny Malagasy tsy vakivolo ». Nandritra izao lanonana tao Mangarivotra nokarakarain’ny mpikatroka Arema izao koa, no nahitana indray ilay afisy nalaza ny taona 2001 nisian’ny fifidianana izay ho filoham-pirenena, misy ny sarin’ny amiraly sy ny soratra hoe « Ratsiraka ihany, Ratsiraka hatrany », sy ny hoe « raha mandinika ny saiko, Ratsiraka no ilaiko »

Ankoatra izay, dia tsapa fa vitsy noho ny tamin’ny taona lasa ny «kamarady » tonga tamin’ny lanonana, tsy tazana nandritra izany koa ny governora teo aloha Atoa Lahady Samuel sy ny sekreteran’ny Arema Toamasina teo aloha Atoa Mosary Paul. Feo no nahalalana fa toa tsy dia mifankahazo tsara intsony amin’i Deba izy mirahalahy ireo. Atoa Lahady Samuel manokana dia anisan’ireo tratry ny tsipaka am-bavafo ka tsy noentin’i Didier Ratsiraka niaraka nitsoaka taminy tamin’ny 2002 satria efa feno ny fiaramanidina tamin’izay. Tany anaty ala tamin’ny RN5 moa no voasambotr’ireo mpampandry tany izy ary dia nogadraina.

 
Rakoutou
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Minisitra Fanirisoa Ernaivo
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

« Nisy fizarana vola

  • Depiote Nicolas Randrianasolo
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

« Mila mitandrina i Kolonely Michael !»

  • HORONAN-TSARY MAMOAFADY
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Tanora miisa 15 no nosamborina

  • KAOMININA ANTANANARIVO RENIVOHITRA
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Ankizy 759 isa notolorana kopia mari-pahaterana

  • Firaisamonim-pirenena
  • Alarobia 29 Aprily 2026

sy Fikambanan'ny tanora

  • KAOMININA TALATAMATY
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Hotokanana tsy ho ela ny

Hijery ny tohiny
FTT