“Mampanahy ny hoavin’ny fiaraha-miasa kaominaly”
Nanana kandidà lany tamin’ny fifidianana kaominaly tany amin’ny Faritra izahay Green Gasikara, hoy ny filohany, Rtoa Tsimisoma Attuyat
, raha nivoaka ny vokatra vonjimaika navoakan’ny ratsamangaikan’ny Cenit tsirairay avy, ka nahafantatra fa tena nijery ny tavan’ny olona nofidiany ny olona tamin’ity indray maka ity satria na teo aza ny fampihavanam-pirenena nodradradradraina dia tsapa fa tena misy ireo tsy maty voalavo an-kibo noho ireny trangan-javatra niseho teto amin’ny firenena tamin’ny fotoanandrony ireny. Eo indrindra no mahatonga ny ahiahy ankehitriny manoloana ity tsy maintsy hiaraha-miasan’ireo tsy mitovy hevitra ao anatin’ny fitantanana ny tanàna dia ny filankevitry ny tanàna an-daniny ary ny mpanatanteraka an-kilany, hoy izy. Dia mipetraka ho azy ny fanontaniana hoe : ho tontosa marina ve ity fampandrosoana ity ?
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.