Nitondrana fanazavana momba ilay fanalana ny olona mipetraka ao amin’ny trano iray etsy Tsiazotafo nataon’ny vadintany ny zoma 9 sy 15 desambra 2017 lasa teo ny kaominina Antananarivo Renivohitra.
Nambarany fa noho ny tsy fanarahana fenitra ny fahasalamana sady ahiana hitera-doza no antony. Nisy ny fitsirihana nataon’ny kaominina teny an-toerana tamin’ny taona 2016 ary voamarina fa trano tsy manaraka ny fenitra ara-pahasalamana io trano io nefa manamorona ny arabe sy ifamezivezen’ny olona. Taorian’ny “Déclaration d’insalubrité” dia namoaka ny didim-pitondrana ny ben’ny tanàna Lalao Ravalomanana izay mandrara ny fipetrahana ao ary mandidy ny tompony hanamboatra io trano io ao anatin’ny enim-bolana, ho fampiharana ny andiny faha-52 amin’ny “Code de Santé Publique”. Nisy taorian’izay ny didim-pitondrana navoakan’ny fitsarana ady maika nanala ny olona sy ny mpivarotra tao amin’ilay trano ary mandidy ny fampiharana izany avy hatrany mba ahafahana manamboatra ny trano. Nahanton’ny Fitsarana ambony io didy io saingy noho ny fisian’ny fampakarana dia nahanton’ny fitsarana an-tampony indray. Nisy ny fangatahana fisintonana nataon’ireo olona mipetraka amin’ny trano saingy nolavin’ny fitsarana. Tonga teny an-toerana ny vadintany nampihatra ny didim-pitsarana.
Nangonin’i Jean D.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.