Actualités

Tsiaro ny tolom-pahafahana 1947 Feno fihatsarambelatsihy


  • Zoma 30 Martsa 2018

Fihatsarambelatsihy no nisehoan’ny fahatsiarovana ny tolom-pahafahana 1947 raha ny tamin’ity 29 martsa indray mitoraka ity. Toa tsy misy vidiny sy tsy misy te hahalala ny lanjan’izany tolona izany, intsony fa dia endrika hafa mihitsy no isehoany.

 

 Ny ankamaroan’ny tanora faly fotsiny amin’ny hoe : andro tsy fiasana, etsy an-kiany maro koa no tsy mahalala akory ny tantara, ny sasany mivarotra eny an-tsena manararaotra ny andro tsy fiasana hitadiavam-bola, ny hafa mandeha mitsangantsangana na “pique-nique”,… izany no endrika nisehoan’ny fahatsiarovana fa tsy voatazona intsony ny hoe : natao hanehoana sy hamohazana ny fitiavan-tanindrazana, ny firaisankiana, ny fihavanana. Taiza no mbola nisy hoe hanatitra fehezam-boninkazo hanomezam-boninahitra ny mpitolona avy ka mila hakana alalana sy hifanenjanana. Toa zary hararaotina hanaovana propagandy aza, ka tamin’ity taona ity, dia noraisina ny lohahevitra hoe: "Firaisankina ho fisandratan'i Madagasikara". Toa nampifandraisina amin’ilay vinan’ny filoha am-perinasa hoentina hakana ny fon’ny vahoaka amin’izao fotoana izao, dia ny Fisandratana 2030. Nametraka fehezam-boninkazo teny amin'ny “Mausolée” eny Andrainarivo ny filoham-pirenena Hery Rajaonarimampianina niaraka tamin'ireo delegasionina notarihiny, ary nandray tanana ireo Bekotro maroholatra tonga nandray anjara tamin'izany, ary nihazo an'i Moramanga avy eo. Isan’andro isika no tokony hamelona izany fitiavan-tanindrazana izany ao am-pontsika, hoy ny filoha tany an-toerana. Novoizina ny resaka firaisankiana, ka mila mijoro ny rehetra satria fanjanahantany amin’ny endriny samihafa no miseho ankehitriny, hoy izy. Haondrana tsy ara-drariny ny haren’i Madagasikara, misy miray tsikombakomba amin’ny fanakorontanana ny fiarahamonina, manjaka ny kolikoly izay mampahantra ny vahoaka, hampiasaina ny teknolojia vaovao hentina hampiady sy hanehoana herisetra sy hanalam-baraka ary hampisara-bazana,… Iza no tena manao izany ? Iza no malaza amin’ny kolikoly sy ny afera maloto ? Sao mba tokony ho teny manambatra sy mampitovy fijery ny Malagasy no nataon’ny filoha mba tsy ho an-tendromolotra ihany ity resaka firaisankiana sy fitiavan-tanindrazana lazaina ity.

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • 48 ora taorian’ny
  • Zoma 23 Oktobra 2026

fanambaran’ny PRRM

  • SALON
  • Zoma 23 Oktobra 2026

INTERNATIONAL DE L’HABITAT

  • Fandraharahana
  • Zoma 23 Oktobra 2026

ara-pizahantany

  • GRANDE BRADERIE
  • Zoma 23 Oktobra 2026

DE MADAGASCAR

  • Ady amin’ny kolikoly
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ara-tany goavana Andrasana ny

  • Lalàna mifehy
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ny fampiasana ny teknolojia nokleary

Hijery ny tohiny
FTT