Actualités

Tsiandopy Jacky Mahafaly Novonoina fa manelingelina ?


  • Talata 01 Aogositra 2017

Maty nisy namono tao an-tranony teny Antanambao Ivato ny alin’ny alahady lasa teo i Tsiandopy Jacky Mahafaly, filohan’ny “Syndicat des Inspecteurs généraux d’Etat de Madagascar” , efa avy loholona sy minisitry ny asam-panjakana sy ny lalàna sosialy tamin’ny fitondran’i Marc Ravalomanana.

Teo amin’ny faha-65 taonany izy no nindaosin’ny fahafatesana tamin’ny fomba mifono misitery izao, ary ny zanany lahimatoa no nahita voalohany ny vatamangatsiakany ary nampandre ny mpitandro filaminana.  Voalaza moa fa mbola nifandray an-telefaonina tamin’ny fianakaviany izy tamin’ny 10 ora alina io alahady io. Nanamarika ny mpitandro filaminana nanao ny fanadihadiana fa tsy nahitana ratra ny vatany, nikorontana ambony ambany kosa anefa ny efitrano fatoriany nahitana ny vata mangatsiakany.Tsara ho marihana fa misy mpiambina miisa 2 ity tranony eny Ivato ity, ary voamarika fa tsy nisy ny endrika afaka ilazana fa nopitsohina na no vakiana ny trano.

Ambadika politika

Hatreto aloha dia tsy nisy ny fahaverezan’entana na zavatra sarobidy tao amin’ny tranony, raha ny vaovao vonjimaika, izay mety hampitombina ny fisian’ny ambadika politika ao anatin’izao namonoana azy izao. Nikorontana tanteraka kosa tao an-trano, ka tombanana ho tsy nanaiky lembenana ny tenany fa nisy ny fifanjevoana na koa nisy zavatra nokarohin’ireo olon-dratsy tao an-trano; izy rahateo lava ranjanana ary fantatra fa olona matanjaka sy afaka miaro tena tsara. Olona hentitra sy mahitsy amin’ny asa ataony i Tsiandopy Jacky , ka tsy milefitra manoloana ny zavatra tsy ara-dalàna sy tsy ara-drariny araka ny resak’ireo olona mahafantatra tsara azy.Nandeha ny feo fa saika ho tendrena ho Tale Jeneralin’ny fanaraha-maso ara-bola na “Directeur Général de Contrôle Financier”  eo anivon’ny Minisiteran’ny vola sy ny tetibola ny tenany , saingy izao maty novonoina izao. Siosion-dresaka ihany koa anefa ny fananany dosie momba ny raharaha kolikoly goavana eto amin’ny firenena, ary isan’ny asa saro-pady rahateo ny asana “Inspecteur d’Etat” iantsorohany. Marihina fa efa nitana andraikitra ambony teto amin’ny firenena i Tsiandopy Jacky: Minisitry ny Asam-panjakana sy ny asa ary ny lalàna sosialy tamin’ny fitondran’i Marc Ravalomanana, ary efa mpikambana tao amin’ny birao politikan’ny antoko Tiako i Madagasikara. Loholona avy amin’ny faritra Sava satria avy any Belambo, Distrikan'i Vohémar no fihaviany. Amin’ny maha “Inspecteur d’Etat” azy kosa, dia efa Filohan’ny SIEM (Syndicat des Inspecteurs généraux d'Etat de Madagascar) ny tenany. Efa Filohan’ny Filankevi-pitantanan'ny Oniversiten'Antsiranana, PDS tany amin’ny faritanin’Antsiranana ihany koa.

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Nanaitra
  • Talata 27 Oktobra 2026

ny Jirama ny PRRM

  • Gérard Ramamimampionona
  • Talata 27 Oktobra 2026

«Milaza hoe te hanavao izao ny

  • Afera sinoa 11,
  • Talata 27 Oktobra 2026

olona ambony voatonona

  • Tale mpanatanteraky
  • Talata 27 Oktobra 2026

ny ONTM vaovao

  • FIZAHANTANY MATIHANINA
  • Talata 27 Oktobra 2026

Tompon’andraikitra maromaro

  • MALOTO
  • Talata 27 Oktobra 2026

NY RIVOTRA ETO ANTANANARIVO

Hijery ny tohiny
FTT