Actualités

Tsenan’ny Petite Vitesse Fanatsarana no atao fa tsy fandroahana mpivarotra


  • Sabotsy 25 Novambra 2017

Hisy amin’io herinandro ambony io ny fanazavana ara-teknika ataon’ny tompon’andraikitra eny anivon’ny boriborintany sy ny kaominina Antananarivo Renivohitra momba ny fanatsarana heverina hatao ao amin’ny tsena Petite Vitesse.

 

Aoka tsy ho taitaitra amin’ny resabe etsy sy eroa isika fa ho avy ny fanazavana amin’ny andinindininy momba io raharaha io, hoy ny tompon’andraikitra iray eo anivon’ny kaominina Antananarivo Renivohitra (CUA) nanontaniana omaly hariva. Efa nisy ny fampahafantarana an-taratasy ireo mpivarotra momba ny fanatsarana. Nihaona mivantana tamin’ny solontenan’ny mpivarotra omaly ny iraky ny CUA ary dia ho avy ny fanazavana fanampiny amin’ny herinandro. Fanatsarana sy fandaminana ny tsena fa tsy famitahana na fandroahana mpivarotra no irosoan’ny kaominina, araka ny angom-baovao natao. Misy moa ireo mpanatsatso ka miteraka ahiahy eo amin’ireo mpivarotra sasany. Ao anatin’ny fandaharanasan’ny ben’ny tanàna Lalao Ravalomanana ny fanatsarana ny tsena eto an-drenivohitra ary tsy maintsy jerena ny fomba milamina hanatanterahana azy. Manodidina ny 1400 ny mpivarotra ao amin’ny tsena  Petite Vitesse ankehitriny ary milaza izy ireo fa mandoa hetra ara-dalàna. Nambaran’izy ireo ihany koa fa tsy ny fanatsarana no olana fa tokony hisy fifampiresahana mazava tsara kosa anefa. Vonona izahay hanatsara na dia hamoaka vola avy amin’ny paosinay aza, hoy ireo mpivarotra fa aoka hifanaja sy hifampitsinjo. Manaiky fifampiresahana ihany koa ny kaominina.


RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • 48 ora taorian’ny
  • Zoma 23 Oktobra 2026

fanambaran’ny PRRM

  • SALON
  • Zoma 23 Oktobra 2026

INTERNATIONAL DE L’HABITAT

  • Fandraharahana
  • Zoma 23 Oktobra 2026

ara-pizahantany

  • GRANDE BRADERIE
  • Zoma 23 Oktobra 2026

DE MADAGASCAR

  • Ady amin’ny kolikoly
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ara-tany goavana Andrasana ny

  • Lalàna mifehy
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ny fampiasana ny teknolojia nokleary

Hijery ny tohiny
FTT