Actualités

Tsenan’i Sabotsy Mahitsy Tsy manaiky lembenana ireo vahoaka


  • Talata 13 Febroary 2018

Manoloana ny trangan-javatra misy eny amin’ny tsenan’i Sabotsy Mahitsy RN 4 ka ketrehan’ny filankevitra kaominaly miaraka amin’ny ben’ny tanàna ny hananganana pavillon maromaro eo amin’ny lalana miditra ao amin’ity tsena ity dia tsy manaiky lembenana amin’ny antsojay mahazo azy izy ireo sy ny lehiben’ny tsena am-perinasa intsony ireo vahoaka mpividy sy mpivarotra ao amin’ny tsenan’i Mahitsy.

 

Toherin’ireo tantsaha mpivarotra ao  Mahisy ny feo mandeha fa hosamborina ity farany noho ny antony tsy fantatra nefa dia izy io no miala vola am-paosy manadio ny tsena sy ny fotaka mandrevo ao aminy fa ny kaominin’i Mahitsy  sy ireo mpanolotsainany izay maka ny tickets 300 ar isan’andro  sy 500 ar rehefa sabotsy ary ny habantsena 4000 ar isam-bolana dia tsy manao n’inona n’inona akory. Hitarainan’ireo mpanao fitaterana amin’ny Bajaj eny an-toerana koa izay volosan’ny zandary sy kaominina ary ny fokontanin’Antandrokomby lelavola 2000 ar isanisany  isan’andro  izay tsy hahazoana rosia mazava akory nefa ny toeram-piantsonan’izy ireo azy tsy misy fanamboarana mihitsy sady izay indray bodoin’ny mpivarotra isan-karazany. Nanamafy koa ireo tanora eny amin’ity tsena ity fa toherin’izy ireo izany hevitra fisamborana ny lehiben’ny tsenan’i Mahitsy izany fa ity olona ity no mpanome asa isan’andro iveloman’izy ireo ary koa mitsinjo sy manampy ara-bola an’ireo fianakaviana manamboina sy sahirana eny Mahitsy sy ny manodidina amin’ny ankapobeny.

 

Ntsoavina Evariste


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • 48 ora taorian’ny
  • Zoma 23 Oktobra 2026

fanambaran’ny PRRM

  • SALON
  • Zoma 23 Oktobra 2026

INTERNATIONAL DE L’HABITAT

  • Fandraharahana
  • Zoma 23 Oktobra 2026

ara-pizahantany

  • GRANDE BRADERIE
  • Zoma 23 Oktobra 2026

DE MADAGASCAR

  • Ady amin’ny kolikoly
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ara-tany goavana Andrasana ny

  • Lalàna mifehy
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ny fampiasana ny teknolojia nokleary

Hijery ny tohiny
FTT