Notokanana omaly alakamisy 23 novambra, ary natolotra tamin’ny fomba ofisialy ho an’ny kaominina Moramanga ny tsena vaovao izay naorina any an-toerana.
Niatrika ny lanonana ny filoham-pirenena Hery Rajaonarimampianina. Tsena lehibe indrindra eto Madagasikara ity vao vita ity, izay miorina amina velaran-tany 1,3 ha. Ahitana trano lehibe miisa 6, ka misy rihina ny roa hahafahana mandray mpivarotra 1200, izay misehatra amin’ny lalam-pihariana samihafa, ary ahitana toerana azo atao birao ihany koa. Ny orinasa Ambatovy no angady nananana sy vy nahitana izao fotodrafitrasa izao, ka vola 3,5 tapitrisa dolara no natokan’io orinasa mpitrandraka harena ankibon’ny tany io nanatanterahana izao tetikasa goavana izao. Porofon’ny fifampatokisana eo amin’ny sehatra tsy miankina sy ny fanjakana izao, hoy ny ampahan-tenin’ny Filoha Hery Rajaonarimampianina. Ny kaominina Moramanga Renivohitra no hitantana ny fotodrafitrasa vaovao, izay sokajiana ho mahafeno ny fepetra takiana eo amin’ny lafiny aroloza sy fahasalamana. Nilaza ny Ben’ny tanàna Rasolonjatovo Ezechiel, fa hiditra amin’ny fitsinjarana toerana amin’izay aloha ny kaominina. Mety homena ny sehatra tsy miankina ny fitantanana azy io, fa tsy ho vitan’ny kaominina, raha ny fanazavany. Iray amin’ny tetikasa ara-tsosialy 17 tontosain’ny Orinasa Ambatovy mba ho famaliana ny anjara andraikitra iantsorohany amin’ny fampandrosoana ara-toekarena sy sosialy any an-toerana sy manerana Nosy izao tetikasa izao. Mahatratra 25 tapitrisa dolara ny tetibolan’Ambatovy amina asa sosialy, ka anisan’ny programan’asa ny fanamboarana fotodrafitrasa, toy ny tsenan’i Bazar Be ao Toamasina, ny any Brickaville, ny fanavaozana ny Lisea Teknika any Toamasina, ny toeram-panodinana fako ao Moramanga sy Toamasina, ary ny fanamboaran-dalana ao an-drenivohitr’Ambatondraka.
Toky
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.