Mandrevo ny fotaka ao an-tsenan’i Mahitsy Ambohidratrimo RN 4 ao vokatry ny nafitsoky ny rotsak’orana tsy an-kijanona nateraky ny rivodoza Ava sy ny andro fahavaratra mbola mitohy ankehitriny.
Tamin’ny herinandro lasa teo dia tena hakitrokely ny hahavon’ny fotaka ka nampitaraina an’ireo vahoaka mpiantsena sy mpivarotra ao ka nahatonga ity farany nanao vava tafahoatra mihitsy aza tamin’ireo tompon’andraikitra sy mpitaky “ticket” ao an-tsena. “Takiana foana ny vola isan’andro vaky izao, hoy izy ireo, nefa tsy hita akory izay fanadiovana sy fandaminana atao. I Me Jhonny izay filohan’ny fikambanana zanak’i Manendy Moriandro no nandray andraikitra nanala volan’ankohonana ao an-tokantrano nanakarama olona nanao asa tanamaro nanala ireo fotaka mandrevo niainga teo amin’ny tranompokonolona ka hatreny amin’ny abatoara ary nanala ny loto namofona tao an-tsena ireo tamin’ity herinandro ity noho ny fahatsapany fa tsena renivohitry ny varotra legume sy varotra akoho gasy sy akoho be nofo ka hifanotofan’ny Faritra rehetra eto amin’ny nosy ity tsenan’i Mahitsy ity ka be ny vahiny avy any amin’ny Faritra sy avy any ivelany mihitsy aza no mivezivezy ao ka manjary mahamenatra ny loto misy. Nahavelom-bolo an’ireo mpivarotra sy ny mponina rehetra izany nataon’i Me Jhonny izany fa nisongadina ny fanadiovana natao ka velom-pisaorana azy izy rehetra.
Ntsoavina Evariste
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.