Sahiran-tsaina indray ireo mpivarotra etsy amin’ny Pochard. Tsy maintsy hanalana fito metatra miala amin’ny arabe mantsy ny tsenan’izy ireo hahafahana manitatra ny lalam-pirenena faha-4 eo an-kilany.
Tetikasan’ny fitondrana Rajaonarimampianina izy io raha araka ny nambaran-dRandriamisely Edmond, delegen’ny tsena ary voalaza fa anisan’ny fampanantenana nataon’ny filoha nandritra ny fampielezan-kevitra nataony. Raha io toerana ao amin’ny Pochard amin’izao io anefa, araka ny fanazavan’ny delegen’ny tsena hatrany, dia efa tena tsy antonona ny mpivarotra intsony. Voatery mifandimby mantsy izy ireo mivarotra ka ny ampahany voalohany mivarotra alatsinainy sy talata ary alarobia raha alakamisy sy zoma kosa ny ampahany faharoa. Midika izany, hoy izy hamono vahoaka an-jatony mivelona amin’ny asa fivarotana. Manao antso avo amin’ny filoham-pirenena izy ireo mba hijery akaiky ity toe-draharaha ity fa tena mahatsiaro ho rera-tsaina. Tsiahivina fa niisa 5.000 ireo mpivarotra voasoratra tao amin’ny Pochard 20 taona lasa izay raha tsy fantatra isa intsony amin’izao. Ny herinandro teo no nahazoan’izy ireo io vaovao io.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.