“Tsy misy tsena, mpanontany no betsaka !”. Izay no valintenin’ireo mpivarotra akoho amam-borona etsy Anosibe sendra ny Tia Tanindrazana amin’izao tsenan'ny Noely sy ny faran'ny taona izao.
Mitobaka ny entana nefa zara raha mahalafo gana na akoho telo mandrapaharivan'ny andro ireo mpivarotra raha ny fanazavana hatrany. Tsy nahitam-piakarana anefa ny vidin'ireo akoho amam-borona ireo raha mitaha amin'ny tamin'ny taon-dasa, eo anelanelan’ny 16.000Ar ka hatramin’ny 60.000 Ar, fa ny olona mihitsy no tsy manam-bola. Torak'izany koa ireo karazana haingon-trano isaky ny noely. Tsy mazoto manaingo trano ny ankamaroan'ny tokatrano fa ny ahitana izay hohanina no vaindohan-draharaha. Tsy eto an-drenivohitra ihany io, eny fa hatrany amin’ny faritra ihany koa aza. "Ampy ho an'ny zanako ny mahita ny baobab eny amin'ny “Bord de la mer” efa voaravaka jiro mahafinaritra", hoy ity renim-pianakaviana iray sendra ny solontenanay ao Mahajanga. Entina eny ireo zanako ny takarivan'ny krismasy dia efa mahafaly azy ireo. Ny akanjo sy kiraro na vaovao na ny fripy no tsara ny tsena ho an'ireo mpivarotra. Mbola manana fanantenana ireo mpivarotra akoho amam-borona fa hisokatsokatra kely ny tsena ny andron'ny Noely sy ny faran'ny taona ary ny taom-baovao.
Jean D.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.