Notanterahina nanomboka omaly etsy amin’ny lapan’ny kolontsaina sy ny fanatanjahantena etsy Mahamasina, haharitra efatra andro, ilay hetsika tsenaben’ny sakafo sy ny lakozia andiany fahavalo karakarain’ny Showbizz Company.
Mampiavaka ity andiany fahavalo ity ny fanasongadinan’ny mpikarakara ireo sakafo vita Malagasy sy tena ara-pahasalamana. Anisan’ireny ny paty gasy amin’ny vidiny 2.500 Ar ny iray sachet milanja 500 grama. Mampiavaka ity paty ity ny fandraisan’ireo mpamokatra azy an-tanana ny fambolena ny akora hampiasaina aminy toy ny voatabia sy ny epinara. Eo ihany koa ny legioma sy ny voankazo ary ny akoho nompiana sy nambolena tamin’ny akora tsy misy simika. Ny tetikasa Propafan indray no mampiranty izany ao amin’ity tsenaben’ny sakafo sy ny lakozia izay marihina fa efa manana tantsaha miparitaka manerana ireo kaominina 33 isa eto Analamanga. Voakasika ny distrikan’Antananarivo Atsimondrano, Avaradrano, Ambohidratrimo…Tanjon’ny tetikasa raha ny fanazavan-dRajoelinamahery, tompon’andraikitra iray eo anivon’ny tetikasa ny hanomezana sakafo ara-pahasalamana ho an’ny isam-baravarana hisorohana ireo karazan’aretina maro samihafa toy ny homamiadana, ny fiakaran’ny tosidra…
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.