Hotanterahina manomboka ny alarobia 16 mey izao etsy amin’ny lapan’ny kolontsaina sy ny fanatanjahantena etsy Mahamasina, haharitra efatra andro, ilay tsenaben’ny sakafo sy ny lakozia andiany fahasivy karakarain’ny ESCOMA.
Maimaimpoana ny fidirana amin’ny andro voalohany, raha araka ny fantatra. Ny hahafahana manome fahafaham-po ireo fianakaviana eto an-drenivohitra no tanjona. Ankoatra izay dia hampiavaka ny hetsika ihany koa ny fisian’ilay fifaninanana mahandro sakafo ho an’ireo ankizy 10 ka hatramin’ny 16 taona karakarain’ny orinasa Socolait. Ireo vokatra vokarin’ity orinasa iray ity no hampiasaina hanaovana sakafo. Ho an’ireo mivoaka ho mpandresy dia hisy ny fiofanana mahandro sakafo omena azy ireo mandritra ny 12 volana, arahina “bon d’achat” hahafahana miantsena amina toeram-pivarotana iray lehibe. Tsy latsa-danja amin’izay ny fisian’ny fikambanam-behivavy FITEFA handray anjara amin’ity tsenaben’ny sakafo sy ny lakozia andiany fahasivy ity, tarihin’ny filohany Rtoa Laurette. Hampahafantarin’izy ireo mandritra izany ireo karazana nahandro any amin’ny faritra DIANA izay tena mampalaza azy ireo arahin’ny fitafiana hahafantarana ireo vehivavy, monina any amin’ny faritra avaratra.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.