Actualités

Tsena vaovao ao Moramanga Tadiavin’ny fanjakana omena tantanan’ny vahiny, nitroatra ny VOT


  • Alarobia 02 Mey 2018

Taorian’ny fahavitan’ilay tsena lehibe ao Moramanga hahafahan’ireo vahoaka any an-toerana mivarotra ara-dalàna dia fantatra izao fa tadiavin’ny fitondram-panjakana omena tantanana vahiny izany.

Mahatsiaro tohana ny vondron’olon-tsotra any an-toerana tarihin-dRanaivosoa Ernest ka nivoaka tamin’ny fahanginana. Nambarany fa natao hanampiana ireo vahoaka Malagasy mivelona ao Moramanga io tsena io fa tsy natao ho an’ny vahiny akory ka tsy eken’izy ireo ny fanjakazakazana hataon’ny fitondram-panjakana. Toraka izany koa ny solontenan’ny VOT avy any Morondava izay nanapotsitra ampahibemaso mihitsy fa tena leo izao fitondrana mijoro izao izy ireo noho ny tsy fandriampahalemana mihatra amin’ireo mponina any an-toerana sy ny fidangan’ny vidim-piainana andro aman’alina. Tonga manatevina ny hetsik’ireo solombavambahoaka 73 mianadahy  sy ireo  mpitolona etsy amin’ny kianjan’ny 13 mey moa izy ireo hatramin’ny alatsinainy teo  hotronin’ireo namany marobe avy any Vakinankaratra, Atsinanana, Antsiranana,  Fianarantsoa … Nomarihin’ny filoha nasionalin’ny VOT Rtoa Sarah Zoe fa fotoana hakan’ny mpanao politika manerana ny Nosy lesona ny tahaka izao satria rehefa tena mitroatra ny vahoaka tsy tana intsony. Tafiditra ao anatin’izany ireo tsy maty voalavo an-kibo izay tsy mieritreritra afa-tsy ny ho any am-paosiny sy hampahory ny vahoaka Malagasy. Etsy amin’ny tranompokonolona Analakely moa no ambohipihaonan’izy ireo isa-maraina mandrapahavita ny tolona.

 Pati

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • 48 ora taorian’ny
  • Zoma 23 Oktobra 2026

fanambaran’ny PRRM

  • SALON
  • Zoma 23 Oktobra 2026

INTERNATIONAL DE L’HABITAT

  • Fandraharahana
  • Zoma 23 Oktobra 2026

ara-pizahantany

  • GRANDE BRADERIE
  • Zoma 23 Oktobra 2026

DE MADAGASCAR

  • Ady amin’ny kolikoly
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ara-tany goavana Andrasana ny

  • Lalàna mifehy
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ny fampiasana ny teknolojia nokleary

Hijery ny tohiny
FTT