Actualités

Tsena vaovao ao Moramanga Mbola banbangoana tsy misy mpivarotra


  • Talata 13 Martsa 2018

Tamin’ny fandalovan’ny mpanao gazetin’ny Tia Tanindrazana tao an-tanànan’i Moramanga tampon-tanàna ny faran’ny herinandro teo no nahitana fa mbola banbangoana be tsy misy mpivarotra mbola tafiditra ao amin’ity tsena ity na dia efa natao makotroka ny fitokanana azy tamin’ny alakamisy 23 novambra 2017 tamin’ny taon-dasa.

 

Mbola ao amin’ny kianja filalaovam-baolina monisipalin’i Moramanga namindrana azy ireo vonjimaika no mivarotra ireo mpivarotra any an-toerana ary koa eny amin’ny sisin-dalana manoloana an’ity tsena ity. Tamin’ny firesadresahana nivantana tamin’ny sasantsasany tamin’ireo mpivarotra eny amoron-dalana ireo no nahafantarana fa tsy mbola nanaovana fanadihadiana sy fanisana akory izy ireo amin’izay mety hifindrany ao amin’ity tsena ity. Handrasana rahoviana ary sa handrasana an’iza , hoy ny maro, ny fanalana fahasahiranana ny mpivarotra sy ny mpanjifa hisitraka an’ity tsena vaovao ity ?

 

Ntsoavina Evariste


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • 48 ora taorian’ny
  • Zoma 23 Oktobra 2026

fanambaran’ny PRRM

  • SALON
  • Zoma 23 Oktobra 2026

INTERNATIONAL DE L’HABITAT

  • Fandraharahana
  • Zoma 23 Oktobra 2026

ara-pizahantany

  • GRANDE BRADERIE
  • Zoma 23 Oktobra 2026

DE MADAGASCAR

  • Ady amin’ny kolikoly
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ara-tany goavana Andrasana ny

  • Lalàna mifehy
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ny fampiasana ny teknolojia nokleary

Hijery ny tohiny
FTT