Actualités

Tsena Tanambao Vadina ofisie nifamely totohondry imasom-bahoaka


  • Talata 23 Oktobra 2012

Tranga tsy dia fahita hatrizay tany Tolagnaro izany hoe vadina manamboninahitra na ofisie mpitandro ny filaminana hifamely totohondry an-kalamanjana izany.

 Ny faran’ny herinandro teo anefa, tao an-tsena Tanambao raha sendra hividy fripy amin’ilay vadina mpitandro ny filaminana ny ramatoa iray, no raikitra ny rombo. Resaka kaontina famerim-bola tsy niady no nahatonga ny ady saritaka. Samy tsy nisy resy dohika ny andaniny sy ny ankilany na teo aza ny fanelanelanana nataon’ireo nanatri-maso.

Fifamelezana totohondry sy rangotra ary mbola nifanenjika eran’ny lalana sy nifampitatatata teo imason’ny mpiantsena no nitranga. Gaga ny rehetra ary mbola resabe ao an-drenivohitr’Anôsy hatramin’izao ity tranga ity. Ny fanampim-baovao azo tamin’ny manodidina no nahafantarana fa tsy vao izao ity vadina manamboninahitra ity no manao fihetsika mahamenatra eny anivon’ny kartie fa matetitetika. Ny manaitra dia ireo mpitandro ny filaminana mbola zazavao no ataony fitaovana hisery ireo olona manelingelina ny fiainany eny anivon’ny fiarahamonina eny.

Natiora OTH

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • METFP,
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

Poste budgétaire 2023-2025

  • KAOMININA TALATAMATY
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

Hamboarina ny fefiloha

  • Niakatra fitsarana
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

noho ny afera « Boeing »

  • Fikojakojana ny
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

“décanteur Pulsator II” Mandroseza

  • Sehatry
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

ny angovo avy amin’ny masoandro

  • Groupe
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

des intellos Bezanozano

Hijery ny tohiny
FTT