Actualités

Tsena sy fifanakalozana Miparitaka ny vola sandoka avo lenta


  • Alatsinainy 14 Jona 2010

Mandeha be ny resaka amin’izao fotoana fa misy vola sandoka avo lenta maherin’ny 20 miliara efa miparitaka eto amintsika. Avo lenta ilay izy satria tsy tahaka ireo vola sandoka fahita hatrizay fa tena mitovy tanteraka amin’ny vola tena izy izay mivamezivezy etsy sy eroa.

Araka ny ritsoka re ihany dia eto an-toerana ihany no anamboarana izany vola sandoka izany, ka tsy lavitra fa eto afovoan-tanànan’Antananarivo eto ihany no voalaza fa misy ilay trano sy ny fitaovana fanontana azy. Tsy mpanao vola sandoka tahaka ny mahazatra ihany koa no manao izany bizina hafahafa izany fa olona ambony sy manana ny maha izy azy eto amin’ny firenena. Tsy ampidirina any amin’ny banky mihitsy anefa ireo vola ireo satria tsikaritry ny fitaovana fitsirihana avy hatrany fa sandoka, ka izay no anadiovana azy eny amin’ny tsena sy toeram-pivarotana ary magazay lehibe maro samihafa manerana ny nosy. Anisan’ny tafiditra ao anatin’ny paik’adin’ireo mampiasa ity vola sandoka ity amin’ny fanadiovana azy ny fividianana entana ka aloa vola avy hatrany, eo koa ny fanakalozana vola vahiny eny amoron-dalana amin’ireo mpanao bizina. Fa eo dia eo ihany koa ny fizarana vola tsotra izao amin’ireo olona ampiasaina amin’ny resaka politika.

Ny manaitra ny sain’ny nahare ity vaovao ity dia nifanandrify indrindra tamin’ny filazana fa hoe misy ny vola ka tsy tokony hanahy na hitaintaina ny olona. Marihana fa efa zavatra mpitranga tany amin’ny firenena afrikanina maro nikorontana noho ny savorovoro politika ary nisian’ny ady an-trano ny fanaovana vola baoritra, na fanamboarana vola maro be handoavana ny karaman’ny mpiasam-panjakana. Matetika dia ny fanjakana sy ireo mpiara-miasa aminy mihitsy no manao izany. Ny manahirana amin’ity raharaha ity dia tsy maintsy hampitotongana ny sandan’ny vola malagasy izao fanapariahana vola tsy manara-dalàna sy sandoka izao, rehefa milamina ny toe-draharaha ka ho avy ny fanaraha-maso ataon’ny tahirim-bola iraisam-pirenena (FMI), satria tsy nisy ny antoka na «fonds de contre valeur» tamin’ny fanamboarana ireo vola ireo, fa tonga dia natonta fotsiny izany. Araka ny ritsoka re ihany dia mbola misy 140 miliara hafa, amin’ity vola amboarina ity, ankoatra ireo 20 miliara voalaza tetsy ambony efa tsara pirina any amin’izao fotoana.

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Faminaniana vaovaon'i Pr Mailhol
  • Zoma 24 Aprily 2026

"Amin'ny 2030

  • Fampandrosoana miainga
  • Zoma 24 Aprily 2026

amin’ny famokàrana Nampiharin’ny mpanjanaka

  • Tany eto madagasikara
  • Zoma 24 Aprily 2026

Hofoanana ny tany colons,

  • Business day
  • Zoma 24 Aprily 2026

andiany voalohany

  • NY TENA FIAINAN-DRAMALAGASY
  • Zoma 24 Aprily 2026

MARIO mpitondra lakana

Hijery ny tohiny
FTT