Actualités

Tsena Pochard Nitokona ny mpivarotra


  • Zoma 18 Janoary 2013

Tapak’andro ihany ny tsena omaly tao amin’ny Pochard. Nanomboka tamin’ny 10 ora dia efa nangoron’entana ny mpivarotra satria hanao fitokonana.

 Tontosa tokoa izany tokony ho tamin’ny mitataovovonana mahery ary tao afovoan-tsena no nanaovana ilay hetsika fanehoan-kery sy firaisankina araka ny feo re teny an-toerana. Manohitra ny resaka mandeha fa homen’ny Kaominina Antananarivo hotantanin’ny tsy miankina ity tsena ity ireo mpivarotra ao an-toerana. Miray hina amin’io ny maro an’isa amin’ireo mpivarotra andavanandro 2.400 eo ho eo sy ny mpivarotra alakamisy sy zoma 2.800 mahery kely. Nitondra ny feon’izy ireo ny delegen’ny mpivarotra, Ravelomanantsoa Hanta izay nilaza fa “tsy ekena velively izay fikasan’ny Kaominina izany”.

Maro ny antony mahatonga azy ireo hanohitra ilay tetikasa izay tsy mbola nohamarinin’ny Kaominina ny fisiany na tsia. Voalohany dia ny fanahiany sao sanatria lasan’ilay mpitantana vaovao ambongadiny ny tany tahaka izay mahazo ny tany mitondra ny anarana “Tany fasika 2” izay misy ireo mpivarotra asa tanana Malagasy ao anivon’ny Pochard ihany. Misoratra amin’olon-tsotra ity tany ity izao nefa tanim-panjakana araka ny fanazavana ihany. “Ahoana no ahazoana antoka fa mbola hiverina amin’ny vahoaka ny tany izay tanim-panjakana fa eo ambany fiadidian’ny Kaominina rehefa mifarana ny fifanaraham-panofana amin’ilay mpitantana tsy miankina sy ny Kaominina?”, hoy Ravelomanantsoa Hanta nametraka ahiahy.

Ankoatra izay dia mahagaga azy ireo sady mahavelona ahiahy azy fatratra koa no amin’izao efa-bolana mialoha ny hiovan’ny mpitantana ny firenena izao ilay tetikasa. Misy tamin’ireo mpivarotra aza no mihevitra fa misy ambadika politika ity raharaha ity “ka rehefa tsy ho eo intsony ny filohan’ny FAT nanendry ny PDS dia ataon’ity farany araka izay mahadiavolana ny sainy ny fitantanana ny tsena eto an-drenivohitra”. Ny antony fahatelo dia ny fiantraikany ara-bola amin’ny mpivarotra satria amin’ny maha tsy miankina ilay mpitantana dia tsy maintsy hitady tombony izy izany hoe mety hiakatra izany ny “ticket “ aloa isan’andro. Marihina fa efa nanao hetsika fanoherana ity famindram-pitantanana ny tsena ity ireo mpivarotra eny amin’ny tsenan’Anosibe ny fiandohan’ny herinandro teo. 

 Yves 
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • METFP,
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

Poste budgétaire 2023-2025

  • KAOMININA TALATAMATY
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

Hamboarina ny fefiloha

  • Niakatra fitsarana
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

noho ny afera « Boeing »

  • Fikojakojana ny
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

“décanteur Pulsator II” Mandroseza

  • Sehatry
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

ny angovo avy amin’ny masoandro

  • Groupe
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

des intellos Bezanozano

Hijery ny tohiny
FTT