Mitohy ny fanatsarana ireo tsena eto Antananarivo Renivohitra ny fiadidiana ny tanàna, tarihin’ny Ben’ny tanàna Lalao Ravalomanana. Hita izany etsy amin’ny Esplanade Analakely, Anosibe, Soarano, Andravoahangy.
Ho an’ny tsena etsy amin’ny Petite Vitesse izao dia efa nivoaka an-gazety ny fiantsoana tolo-bidy ho fanatanterahana asa (Appel à Manifestation d’Intérêts), ho an’ny fanatsarana. Izany dia nialohavana fifampidinihana tamin’ireo mpivarotra eny an-toerana sy ny fitondrana foibe. Mikasika ny fanatanterahana ny asa dia efa an-dalana ny fijerena ny mpiara-miombon’antoka, ary nanipika mazava ny fiadidiana ny tanàna fa « tsy misy ny mpivarotra ailika, ireo mpivarotra ao amin’ny Petite Vitesse no hisitraka voalohany ireo tsena vaovao vita. Tsy misy ny vola efain’ireo mpivarotra amin’ny fanatanterahana ny tetikasa. Hisy ny toerana vonjimaika hamindrana ireo mpivarotra ireo eny an-toerana ihany mandra-pahavitan’ny asa. Nanao sonia ny fifanarahana avokoa ny delegen’ny mpivarotra ao amin’ity tsena ity”. Ny tanjona, hoy ny tompon’andraikitra ao amin’ny CUA dia ny fikarakarana ny fiainan’ny Malagasy, indrindra ny sarambabem-bahoaka araka ny filamatry ny ben’ny tanàna Lalao Ravalomanana. Mampahatsiahy ny CUA fa misokatra hatrany amin’ny fifampiresahana sy fifampidinihana mba hialana amin’ny tsaho na izay mety fanakorontanan-tsaina eny amin’ny tsena ny fiadidiana ny tanàna.
Nangonin’i Jean D.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.