Actualités

Tsena Mora Tsy nahazo i Fenoarivo Atsinanana


  • Talata 16 Novambra 2010

Vary roa «sachet» izay vidiana 500 ariary isanisany, labozia 03 izay andoavana vola 200 ariary ny iray, ronono amin’ny boaty iray vidiana 1.500 ariary ary menaka fihinana iray litatra izay amidy 2.500 ariary ny tavoahangy iray; ireo no ao anaty harona «sachet» iray izay amidy eo anivon’ny Tsena Mora ao Toamasina. Nosokafana ny sabotsy maraina teo tao amin’ny Kianja mitafon’i Soavita izy ity ho an’ny kaominin’i Toamasina renivohitra ity.

Nandritra izany no nanolorana maimaimpoana ireo beantitra sy mahantra 10 isam-pokontany 138 sy ny manan-kilema eo anivon’ny Handicap International ary ireo mahantra efa karakarain’ny Kaominina manokana miisa 560 eo. Toerana enina no nanokafana Tsena Mora ao Toamasina, dia Ankirihiry, Tanambao V, Morarano, Anjoma, Ambodimanga, ary ao Analamboanio. Isaky ny alarobia ihany ny famarotana ireo entana ambara fa hamidy mora ireo ho an’i Toamasina renivohitra. Tao Ankirihiry moa no nisantarana ny famarotana ny entana. Vao manomboka anefa dia hita sahady fa miala “Tsena Mora” ny entana dia miditra «Tsena Hafa» sahady. Efa mandeha ihany koa ny bizina tahaka ny tao Ankirihiry, izay manakarama ankizy milahatra ka andoavana 500 ariary avy, mba hahazoana bebe kokoa amin’ireo entana. Ankoatra izay, ny nahagaga dia tsy anisan’ny nahazo izany ny tao Fenoarivo Atsinanana, nefa nandalovan’ny filohan’ny FAT talohan’ny nijanonany tao Toamasina tampon-tanàna. Ho an’i Toamasina kosa, tsy ho hisy koa izany ny Tsena Mora ny alarobia izao noho io andro io androm-pifidianana, ka mety atao sabotsy izany. 

Rakoutou
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Minisitra Fanirisoa Ernaivo
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

« Nisy fizarana vola

  • Depiote Nicolas Randrianasolo
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

« Mila mitandrina i Kolonely Michael !»

  • HORONAN-TSARY MAMOAFADY
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Tanora miisa 15 no nosamborina

  • KAOMININA ANTANANARIVO RENIVOHITRA
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Ankizy 759 isa notolorana kopia mari-pahaterana

  • Firaisamonim-pirenena
  • Alarobia 29 Aprily 2026

sy Fikambanan'ny tanora

  • KAOMININA TALATAMATY
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Hotokanana tsy ho ela ny

Hijery ny tohiny
FTT