Actualités

Tsena Mora Mifanenjika anatiny fa afa-baraka


  • Zoma 03 Desambra 2010


Taorian’ireny gidragidra nitranga tetsy Ankorondrano sy Anosibe ireny dia nisy avy hatrany ny fanazavan’ny avy etsy Ambohitsorohitra. «Tsy olona miasa eo anivon’ny Tsena Mora velively ireo notazomin’ny olona rehefa saika hamoaka entana an-tsokosoko teo anivon’ireo toeram-pivarotana. Mpanakorontana fotsiny ihany ireny», araka ny fampitam-baovao. Omaly dia efa nanomboka nisy ny olona nosamborina momba ity raharaha ity. Raha araka ny re ihany koa dia efa nanomboka omaly ny fanolorana ireo voarohirohy ho mpanakorontana eny anivon’ny fampanoavana. Tsy iza fa olona izay nomen’ny Tsena Mora andraikitra ihany ireo olona ireo. Rehefa raikitra anefa ny gidragidra ka nanala-baraka ity tetikasa ity dia avy hatrany dia nesorina ary nolazaina fa olona ivelany ireo. Hatramin’ny niatombohany izany dia nahitana olana hatrany ity Tsena Mora ity. Izao aza dia efa manomboka mizotra ho an’ny amin’ny ady an-trano izany… Any Mahajanga moa dia mangataka tsotra izao ny hanafoanana ny Tsena Mora ny mponina ao Amborovy sy amin’iny Tsaramandroso Ambony iny noho io resaka risoriso io. 

r.d

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fanapahan-kevitra stratejika
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Hanova mpamatsy solika i Madagasikara

  • Afera ara-tany goavana
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Mandeha ny fampiadiana

  • AMBALAMADIRO,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

ANKIABE SALOHY

  • Fanohanan’ny
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Faritra Analamanga

  • Varatra
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

nitera-doza

  • PM Rajaonarison Mamitiana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Manana ny programany i Madagasikara,

Hijery ny tohiny
FTT