Raikitra indray ny gidragidran’ny Tsena Mora tetsy Ankorondrano sy Anosibe. Ny tetsy Ankorondrano, raha araka ny hita teny an-toerana dia ny fahatezeran’ny olona noho ny tsy fisian’ny mangarahara no nitarika ny olana.
«Nanomboka tamin’ny efatra ora maraina izahay no nilahatra teto. Tsy nisy adiny roa akory taorian’ny nisokafan’ny tsena anefa dia efa lany ny entana», araka ny fitantaran’ireo olona sendra anay teo amin’ny Fokontany Ankorondrano. Nanampy indray ireo fa ny tena tsy tantiny dia ny fisian’ny famoahana entana tao, nataon’ny tompon’andraikitra, teo imason’izy ireo. «Lazaina fa tsy misy intsony ny entana kanefa dia eo imasonay ihany no namoahan’ireo olona ny baoritra 12 feno menaka. Aiza ny mangarahara amin’izany ?», hoy ihany ireo olona tezitra. Nanoloana ny zava-misy dia notanan’izy ireo avy hatrany ny sefo Fokontany ary tsy navelan’ireo nivoaka tao amin’ny biraony raha tsy ny manampahefana no nanazava. Teo koa dia misafotofoto be ihany ny resaka satria raha ny filazan’ireo dia baiko no antony namoahana ireo entana mba haverina eny amin’ny foibe. Izany dia mba ho fandrindrana ny entana. Tsy faly ny olona no sady kivy ihany koa noho ny tsy fahatomombanan’ity Tsena Mora ity. Kolikoly hitan’ny maso avy hatrany, hoy izy ireo ny zava-miseho kanefa ny dokambarotra dia tena faran’izay tsara. Raha araka ny fantatra, niverina ihany koa ny tranga toy io teny Anosibe izay nahatezitra ny olona ihany koa.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.