Actualités

Tsena Mora «1er tour dia vita»


  • Alatsinainy 22 Novambra 2010

Tsy nisy ohatra an’izany ny fanokafana ny Tsena Mora mitsinjo ny Malagasy tao Toamasina nandritra ny fandalovan’ny filohan’ny FAT tany an-toerana.

Nambara tamin’izany fa entina hanampiana ireo tena mahantra sy tsy mampiditra afa tsy 2.000 ariary isan’andro izy io, ka ireo biraon’ny Boriborintany miisa 5 any an-toerana miampy ny biraom-pokontany ao Analamboanio no hisy izany. Isaky ny alarobia ny fivarotana ireo entana mora ao anatiny. Filaharana ny andro sabotsy nanombohany izay ny filohan’ny FAT sy ramatoa vadiny mihintsy no nanokatra azy. Ny zava-misy anefa, dia toa nahery am-boalohany ilay herim-pon’ny Tsena Mora isaky ny boriborintany, ary lasa «1er tour dia vita» ny raharaha, satria ny alarobia teo dia tsy nisy noho ny androm-pifidianana ny tsena, na efa niandry izany aza ireo te hahazo entana mora, ny sabotsy indray dia tsy nisy nisokatra, toy ny teto an-drenivohitra, ny Tsena Mora miisa 6 ao Toamasina, ny antony tsy fantatra mazava satria na ny Kaominina aza tsy nahazoam-panazavana mikasika izany, hany ka resabe etsy sy eroa no naterany. Mandeha moa ny resaka fa «natao hitadiavana vatom-pifidianana sy nentina hampandaniana ny Eny sy hampitomboana ny taham-pahavitrihan’ny mpifidy fotsiny ny Tsena Mora, ka raha tsy azo izay nantenaina dia nofoanana mangingina ilay ambara fa fitsinjovana ny Malagasy sahirana».

 
Légende : Mikatona lava ny tsena mora ao tanambao V
Rakoutou

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fanapahan-kevitra stratejika
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Hanova mpamatsy solika i Madagasikara

  • Afera ara-tany goavana
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Mandeha ny fampiadiana

  • AMBALAMADIRO,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

ANKIABE SALOHY

  • Fanohanan’ny
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Faritra Analamanga

  • Varatra
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

nitera-doza

  • PM Rajaonarison Mamitiana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Manana ny programany i Madagasikara,

Hijery ny tohiny
FTT