Actualités

Tsena etsy Antsahamamy Tsy vita hatramin’ny farany, raikitra ny gidragidra


  • Zoma 02 Martsa 2018

Raikitra ny gidragidra, ny alarobia teo amin’ireo mpivarotra nilaza ho nanajary, am-polony taona ny tany sy ireo voalaza fa nibodo izany, tetsy Antsahamamy.

 

 Niezaka niaro ny taniny ireo voalaza fa mpivarotra, saingy noho ny fisian’ny mpitandro ny filaminana tonga teny an-toerana dia nalaky nilamina ihany izy ireo. Raha ny fampahafantarana dia tafiditra tao anatin’ilay tetikasa fanamboarana tsena manara-penitra ity toerana voalaza ity saingy tsy tonga hatramin’ny farany. Ireto mpivarotra anefa nasaina nandrodana ireo tsena niorina teo. Vokatr’io fitaka io dia nanapa-kevitra ny hamerina ny tsenany ny ampahany tamin’ireo mpivarotra miisa 12 nitaraina ho voafitaka. Raha ny hita teny an-toerana dia nofefen’ireo olona naka izany io toerana nivarotan’ireo mpivarotra ireo. Nohitsin’ireo mpivarotra hatrany moa fa fitaka bevava hatrany no nanjo azy ireo. Nampitain’ireo lasibatra fa nolazain’ny tompon’andraikitry ny oniversite izy ireo fa efa lasan’ny Profesora iray io toerana nohajarian’izy ireo io. Tsy niolaka ireo mpivarotra nalana am-pitaka fa nisy ny firaisana tsikombakomba amin’ny tompon’andraikitra eo amin’ny oniversite sy fanesorana azy ireo eo amin’ny tany nohajariana. Raha ny fantatra omaly dia efa niezaka ny nifampiresaka tamin’ny mpisolovavany izy ireo ka andrasana, araka izany ny tohin’ny raharaha.

 

J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • 48 ora taorian’ny
  • Zoma 23 Oktobra 2026

fanambaran’ny PRRM

  • SALON
  • Zoma 23 Oktobra 2026

INTERNATIONAL DE L’HABITAT

  • Fandraharahana
  • Zoma 23 Oktobra 2026

ara-pizahantany

  • GRANDE BRADERIE
  • Zoma 23 Oktobra 2026

DE MADAGASCAR

  • Ady amin’ny kolikoly
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ara-tany goavana Andrasana ny

  • Lalàna mifehy
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ny fampiasana ny teknolojia nokleary

Hijery ny tohiny
FTT