Vinavinaina hampiditra vola hatrany amin’ny 1 miliara Ar any ho any ny tsenan’Anosibe amin’ity taona vaovao 2017 ity raha toa ka vita soa aman-tsara avokoa ny asa fanatsarana sy fanavaozana kasain’ny kaominina Antananarivo Renivohitra tanterahina ao an-toerana.
Efa natomboka tamin’ity herinandro ity izany tamin’ny alalan’ny fanamboarana ireo pavillon vaovao miisa 40 manamorona ny arabe, izay hivarotana ireo karazan-damaody toy ny akanjom-behivavy…Fampanantenana efa nataon’ny Ben’ny tanàna Lalao Ravalomanana fony izy kandida izy io raha araka ny fanazavan-dRamarosandy Landry, lehiben’ny tsena ao Anosibe. Ankoatra izay dia fikasany ihany koa ny hanome toerana ireo mpivarotra tsy manana izany ao Anosibe izay tena maro an’isa tokoa. Vokatry ny fiaraha-miasan’ny kaominina amin’ny sehatra tsy miankina no hanatontosana ny asa, haharitra enina herinandro. Nomarihiny manokana moa fa ireo mpivarotra ao Anosibe tsy mbola nahazo toerana hatramin’izay ihany no hahazo ireto toerana vaovao ireto raha eo anelanelan’ny 38.000 Ar ka hatramin’ny 150.000 Ar isam-bolana no hofan’ny pavillon iray, miankina amin’ny habeny sy ny toerana misy azy.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.