Niravona ihany koa ny olana eo anivon’ny tsenan’ny Coum 67 ha taorian’ny nandraisan’ny kaominina Antananarivo Renivohitra ny andraikiny.
Nalana tamin’ny toerany ny lehiben’ny tsena niampy ireo delege roa izay fantatra fa efa niasa sy nandrindra ity tsena iray ity hatramin’ny andron’ny tetezamita. Taorian’ny fivoriana niarahan’ny solontenan’ny mpivarotra tamin-dRtoa Ben’ny tanàna no nandraisana io fanapahan-kevitra io. Toraka izany koa ny fihaonany tamin’ny sekretera jeneraly eo anivon’ny kaominina. Afaka miaina malalaka amin’izay ireo mpivarotra solde marobe izay nanajary ny toerana manoloana ny Ny Havana 67 ha nandritra ny taona maro raha voatositosika hatrany teo aloha sady nampijaliana. In-telo isan-kerinandro izy ireo no afaka mampiasa ny toerana manomboka amin’ny 3 ora folakandro ka hatramin’ny 6 ora hariva. Hisy moa ny fifanarahana hifanaovan’ireo delege vaovao sy ireo mpivarotra ato ho ato. Tsiahivina fa nanomboka tamin’ny volana aogositra no nisian’ity olana teo anivon’ny tsena Coum 67 ha ity saingy izao vao voavaha tanteraka.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.