Taorian’ny famefena ilay toerana mirefy 30 m amin’ny 70 m voalazan’ny Seimad fa azy etsy amin’ny tsenan’ny Coum 67 ha dia niroso tamin’ny fanalana ny tsenan’ireo mpivarotra indray izy ireo omaly maraina tokony ho tamin’ny 4 ora.
Mpivarotra manodidina ny 600 no voakasika. Ankoatra ny entan’izy ireo dia nalana ihany koa ny trano fivarotany. Andiana lehilahy izay voalaza fa be sandry no nanatanteraka ny asa, araka ny fanazavan’ireo mpivarotra. Tamin’ny 8 ora maraina ny vadin-tany vao tonga, ireto farany izay voalaza fa nanana taratasy saingy efa lany daty. Nitroatra ireo mpivarotra noho izany. Nisy tamin’izy ireo mantsy no very entana ary tsy afa-nivarotra omaly. Nanambara moa ireo mpivarotra ireo fa efa eny anivon’ny fitsarana ny raharaha. Nilaza anefa ireto farany fa tsy mahaefa ny raharaha ka tsy mbola manana zo hanala azy ireo amin’ny toerany ny Seimad. Miantso ny fitondram-panjakana izy ireo mba hijery akaiky ny raharaha. Nikorontana avokoa moa ireo mpivarotra miisa 3.000 etsy amin’ny Coum vokatry ny fanalana ireo 600 isa ireo tamin’ny toerany.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.