Actualités

Tsena COUM 67 Ha Misy mitady hanakorontana


  • Alarobia 22 Novambra 2017

Misy mitady hanakorontana ny tsena etsy amin’ny Coum 67 ha. Mifandramatra ny samy mpivarotra mampiasa ny sisin-dalana eo am-pitan’ny toby fiantsonan’ny taksibe 119 izay marihina fa vao nisy vehivavy iray naratra indray omaly maraina.

Antony mahatonga ny ady ny fisian’ireo andiana mpivarotra manodidina ny 50 milaza fa   ara-dalàna ary manana  “carte biometrique” mihitsy.  Misy ihany koa ireo mpivarotra soldes efa nanajary io toerana io hatramin’ny naha-Ben’ny tanàna an’ny filoha Ravalomanana izay tadiavina halana eo amin’ny toerany mihitsy. Efa manana tsena any amin’ny toeran-kafa avokoa anefa iretsy voalohany raha ny fantatra. Tsy nisy akory ny fifampidinihana nifanaovan’ny tompon’andraikitra sy ireo solontenan’ny mpivarotra soldes eny an-toerana raha ny fitarainana voaray fa avy hatrany dia nomeny ireo mpivarotra vaovao ny toerana narahin’ny hoe : azon’izy ireo hampiasaina ihany ny toerana saingy isan-karivan’ny alatsinainy sy ny talata ary ny alarobia  raha omena ireo manana karatra kosa ny toerana ny maraina. Efa nisy mihitsy moa ny naoty navoakan’ny lehiben’ny Boriborintany I mikasika izany. Mangataka ny tokony hanafoanana io naoty io ireo mpivarotra soldes ialana amin’ny mety hisian’ny fifandonana lava eo amin’ny roa tonta. Nanambara izy ireo fa vonona ny hiditra ao anatin’ny ara-dalàna. Ny mampametra-panontaniana azy ireo dia tsy mbola nisy mihitsy ny fanisana mpivarotra teny amin’ny sisin-dalana manoloana ny toby fiantsonan’ny taksibe 119 saingy tao anatin’ny iray volana dia efa nahazo “carte biometrique” ireo mpivarotra vaovao miisa 50 ireo. Nomarihin’ireo mpivarotra ihany koa fa misy ambadika politika ity tranga ity entina handotoana ny Ben’ny tanàna Lalao Ravalomanana.

Pati


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • 48 ora taorian’ny
  • Zoma 23 Oktobra 2026

fanambaran’ny PRRM

  • SALON
  • Zoma 23 Oktobra 2026

INTERNATIONAL DE L’HABITAT

  • Fandraharahana
  • Zoma 23 Oktobra 2026

ara-pizahantany

  • GRANDE BRADERIE
  • Zoma 23 Oktobra 2026

DE MADAGASCAR

  • Ady amin’ny kolikoly
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ara-tany goavana Andrasana ny

  • Lalàna mifehy
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ny fampiasana ny teknolojia nokleary

Hijery ny tohiny
FTT