Tranom-pivoahana iray ao amin’ny fokontany Tsararano Anosikely no manototra ireo tatatra ka miteraka fahadoboana eo amin’ny manodidina. Miakatra avokoa ny loto ary miteraka aretina ho an’ireo mponina ao an-toerana. Efa nisy ihany ny fifampiresahana tamin’ny tompon’ny trano saingy tsy hita ny fanamboarana
hatramin’izao. Ny lehiben’ny fokontany aza dia efa nidina teny an-toerana nijery ny raharaha fa tsy nisy ny fepetra noraisina. Niezaka nanatona ny BMH ireo mponina fa tsy nisy nihaino ny fitarainana tonga tany. Manao antso avo amin’ny kaominina indray ireo mponina ao amin’ity fokontany ity mba handray ny andraikiny mikasika ity trano fivoahana mamoaka loto ity satria dia ho mora amin’izy ireo ny hidiran’ny aretina azo avy amin’ny loto.
Tolin
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.