Actualités

Tsaralalŕna Nanadio tanŕna ireo mpivarotra amoron-dalana


  • Talata 24 Novambra 2015

Niroso tamin’ny fanadiovana faobe ny mpivarotra amoron-dalana teo Tsaralalŕna omaly alatsinainy.

 


 

 Nanomboka teo anoloan’ny Hôtel Grand Mellis ny asa ka nifarana teny amin’ny biraom-pokontany FIATA Tsaralàlana. Fanadiovana izay notarihan’ny lefitra voalohan’ny Boriborintany I Atoa Rakotomalala Hermenegilde sy ny mpiara-miasa aminy. Nafoin’ireo mpivarotra ny fitadiavam-bolany. Tsy nisy na dia iray aza namelatra ny entam-barotra fa samy niara-nientana nikatroka tamin’ny fanadiovana ny tanàna avokoa. Tsy tonga tamin’ny tanam-polo izy ireo tamin’izany fa samy nivatsy kifafa sy fitaovana hoentina manadio. Ireo mpivarotra ireo izay lazaina fa mpandoto moa no nentanina sy nampandraisina andraikitra mba handresena lahatra azy ireo ho lasa mpivarotra tompon’ny fahadiovana fa tsy hampikaikaika ny maro intsony. Araka ny nambaran’Andriamatoa lefitra voalohan’ny boriborintany voalohany dia : “  mahavelom-panatenana izao fiaraha-mientan’ny mpivarotra izao. Hita tokoa mantsy fa resy lahatra izy ireo amin’ny fahadiovana, porofon’izany ny fahatongavany maro be tamin’ny famaliana ny antso izay natao taminy”. Fantatra fa mbola hitohy ny hetsika fanadiovana tahaka izao. Anisan’ny fomba fiasa vaovao entin’ny ben’ny tanàna Lalao Ravalomanana sy ireo mpiara-miasa aminy moa ny fampandraisana andraikitra ny olom-pirenena sy ny fifanomezan-tanana ho amin’ny fanatsarana hatrany ny endriky ny renivohitra.


Nangonin’i RTT

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Kolikoly avo
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

lentan’ireo mpitondra teo aloha

  • Ny Antsa Rakotobe
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Betsaka ny lesona

  • Saika hanatitra
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

kojakojan-dreniny

  • Ahiahina tsikombakomba
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

avo lenta ara-tany ao Mantasoa

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

«Efa hita fa tsy mety ny

Hijery ny tohiny
FTT