Actualités

Tsangambato Lietnŕ Randriamaromanana Albert Simba sa niniana nofafana ny soratra teo aminy ?


  • Alatsinainy 06 Desambra 2010

Raha sendra mandalo amin’ny lalana manamorona ny Tobin’ny Rezimanta miaramila voalohany Analakely ianao, ka manopy maso eo amin’ilay tsangambato naorina manemitra ny fefin’ity Toby ity dia hahatsikaritra fiovana.

Fiovana hafakely satria dia nanjavona tampoka teo ireo soratra voarakitra teo amin’ilay tsangambato. Soratra izay nivaky toy izao : “Tsangambato natsangana ho fahatsiarovana ilay maherifon’ny firenena : Lietna Randriamaromanana Albert, maty notifirin’ny tafiky ny mpanjanatany frantsay, teny Ankatso ny marainan’ny alarobia 18 aprily 1948 noho ny adim-panafahana ny 29 martsa 1947. Izay maty ho an’ny tanindrazana, Velona mandrakizay ao ampon’ny Vahoaka.”

Samy manontany tena izay nahita io tranga io, saingy sady tsy mahita no tsy mahazo valiny mazava ny anton’io fiovana io, ka dia visavisa sisa mandeha hoe simba sa niniana nokosehina tsotra izao ny soratra teo ? Raha ny fahitana azy aloha dia mahakely finoana ihany ny hoe simba ny soratra. Mbola eo rahateo ny takelaka vy niraketany. Mirona kokoa any amin’ny nokosehina ny eritreritry ny maro.
 
Koa eo no lasa ny saina aman’eritreritra hoe : misy mahatsiaro ho voatohintohina amin’ilay andalan-tsotra hoe “maty notifirin’ny tafiky ny mpanjanatany frantsay” ve ka miezaka mamafa izany ? Tantara tsy azo kosehina anefa io, ary izay no maha tohina ireo bekotro maroholatra, indrindra fa ny fianakavian’ny Lietnà Randriamaromanana Albert. Ity farany izay marihina fa anisan’ireo tia tanindrazana maritioran’ny tolompanafahana 1947. Tsy nandingana fa mbola taona nahatsiarovana ny faha-50 taona niverenan’ny fahaleovantena no nisian’izao tranga izao ary ao anatin’ny fotoana sy vanimpotoana iventesana ombieny ombieny ny hambompom-pirenena sy fitiavan-tanindrazana. Mba lasa ihany ny saina, eo anatrehan’izany !
 
Jean D.
 
Sary : Tsangambato Lietnà Randriamaromanana Albert eo amin’ny Toby RM1 Analakely

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Minisitra Fanirisoa Ernaivo
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

« Nisy fizarana vola

  • Depiote Nicolas Randrianasolo
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

« Mila mitandrina i Kolonely Michael !»

  • HORONAN-TSARY MAMOAFADY
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Tanora miisa 15 no nosamborina

  • KAOMININA ANTANANARIVO RENIVOHITRA
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Ankizy 759 isa notolorana kopia mari-pahaterana

  • Firaisamonim-pirenena
  • Alarobia 29 Aprily 2026

sy Fikambanan'ny tanora

  • KAOMININA TALATAMATY
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Hotokanana tsy ho ela ny

Hijery ny tohiny
FTT