Manomboka ahitam-bokany ny fikarohana ireo atidoha nikotrika ny asa fanakorontanana tena nahomby teto Antananarivo ny herinandro lasa teo, indrindra ny alakamisy 10 novambra, izay nampisahotaka ny renivohitra manontolo.
Ny fisian’ny andian’olona nambara fa manao vaksinin’ny pesta ary mitety sekoly miaraka amina andiana mpitandro ny filaminana io niteraka korontana io. Voasambotry ny polisy misahana ny heloka bevava ny tovolahy iray 24 taona, skoto, anisan’ny tompon’antoka tamin’ny fanapariahana tsaho tamin’ny tsaho tambajotra « facebook ». Niaiky ny heloka vitany izy. Nandritra ny fanadihadiana azy no nilazany fa zavatra noforonina nolaroiny ny trangan-javatra hitany tetsy sy teroa ireny, ary navoakany mba hanaitra ny rehetra fotsiny ihany. Niala tsiny tamin’ny tebiteby sy fikorontanana nahazo ny ray aman-dreny vokatry ny zavatra tsy marina navoakany izy nandritra ny fakana am-bavany azy teny amin’ny polisy. Taorian’ny fanadihadiana dia nidoboka vonjimaika eny Antanimora ny tenany miandry ny fitsarana azy. Anatra ho an’ny rehetra izao, ary azo handrefesana tsara ny mety ho voka-dratsin’ny fanokorontanana amin’ny alalan’ny fanelezana tsaho. Mbola mampitandrina hatrany ny mpitandro ny filaminana manoloana ireo mpikirakira ny tambajotra sosialy izay minia manaparitaka vaovao diso sy mampisavorovoro ny saim-bahoaka. Tsara ny manamarika fa efa manana fitaovana raitra hahafahana mamantatra ny fitaovana sy toerana hiaingan’ny vaovao tsy marina ny mpitandro ny filaminana.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.