Actualités

Trondro no noharatoina Fatin’olona no azon’ny harato


  • Talata 21 Novambra 2017

Lehilahy iray hita faty, azon’ny mpanarato tany Sambava omaly maraina.

 

 Nanao ny asany andavanandro ireo mpanarato ireo. Nahatsapa zavatra somary mavesatra azon’ny harato izy ireo. Nieritreritra fa trondro vaventy no azo, saingy rehefa tafakatra ny harato, dia zava-doza no hita satria fa fatin'olona no tao anatiny. Fatin-dehilahy, izay voalaza fa vahiny mpila ravinahitra any an-toerana io azon’ny harato io. Avy aty Antananarivo fa nitady ravinahitra tany Sambava izy raha ny fanazavana, ary mbola vao herinandro monja no nahatongavany tany an-toerana. Mivarotra ireny lagilasy toy, ny Clarinette sy Eskimô no asany, ary nipetraka tao Ambodisatrana Sambava. Hatramin’ny omaly, dia mbola tao amin’ny CHRR Besopaka Sambava ny razana, saingy efa tonga tao an-toerana kosa ny havany sy ny namany hikarakara ny razana. Tsy fantatra mazava kosa hatreto ny antony nahafaty io lehilahy io hoe natelin’ny rano sa nisy namono dia navalana rano avy eo.

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • 48 ora taorian’ny
  • Zoma 23 Oktobra 2026

fanambaran’ny PRRM

  • SALON
  • Zoma 23 Oktobra 2026

INTERNATIONAL DE L’HABITAT

  • Fandraharahana
  • Zoma 23 Oktobra 2026

ara-pizahantany

  • GRANDE BRADERIE
  • Zoma 23 Oktobra 2026

DE MADAGASCAR

  • Ady amin’ny kolikoly
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ara-tany goavana Andrasana ny

  • Lalàna mifehy
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ny fampiasana ny teknolojia nokleary

Hijery ny tohiny
FTT