Actualités

Tribonaly Nikatona manerana ny Nosy


  • Talata 27 Novambra 2012

Araka ny efa nampilazainy dia raikitra tokoa ny fitokonana nataon’ireo mpirakidraharaham-pitsarana manerana ny Nosy omaly.

 Andro voalohany io fa hitohy mandritra ny roa herinandro ny hetsika izay manerana ny fitsarana rehetra raha toa ka tsy mbola mahazo valiny mahafa-po amin’ny fitakiany izy ireo. Marihina fa voahaja ny lalàna amin’ity fitokonana ity tamin’ny alalan’ny fampandrenesana mialoha nalefan’ny sendika SGM (Syndicat des Greffiers de Madagascar) tamin’ireo rafitra mpitantana isan-tokony ny 20 novambra lasa teo. Ambohipihaonan’ny mpirakidraharaham-pitsarana miasa eo anivon’ny lapan’ny fitsarana ambaratonga voalohany, ambony ary tampony miampy ireo miasa eo anivon’ny fitsarana miasahana ny ady amin’ny fanjakana tetsy Anosy omaly. Tsy nisy niasa izy ireo fa nivory teo anoloan’ny lapan’ny fitsarana ary tonga nanampy isa azy ireo koa ireo mpirakidraharaha miasa ao amin’ny ministera eny Faravohitra. Ny saonjo iray lohasaha tokoa anefa tsy ilaozan’izay mamarara satria niasa toy ny mahazatra ny lehiben’ny mpiraki-draharaha eo anivon’ny fitsarana ambaratonga voalohany Antananarivo. Tsy manome tsiny azy nefa ireto namany na dia midika ho tsy fanehoana firaisankina amin’ny mpiara-miasa izay sady iray sokajin’asa aminy aza izany fihetsika izany. “Mahazo vola be isaky ny antontan-taratasy soniaviny izy ka tsy mahagaga raha tsy miaraka amin’ny besinimaro”, hoy ny mpikambana iray ao amin’ny biraon’ny SGM.

Na dia tsy nihidy aza ny varavaran’ny fitsarana dia tsy nisy na inona na inona nandeha tao satria ny didim-pitsarana rehetra dia tsy manankery raha tsy mpirakidraharaha no manao azy. Na ny fiaran’ny mpiasan’ny fonja nitondra olona handalo fampanoavana sy hotsaraina izay efa niandry teo an-tokotanin’ny lapa aza niveri-maina fotsiny. Araka ny tatitra nataon’ny filohan’ny sendika Rabenandrasana Nicolas dia samy mitokona avokoa ireo fitsarana rehetra afa tsy roa tsy tratra antso. Tahaka ny mahazatra tao anatin’izao FAT izao dia nodian’ny fanjakana tsy re ny antson’ireto mpiasan’ny fitsarana ireto na dia efa nanome fampitandremana aza izy ireo. Rehefa tena raikitra ny grevy omaly vao nikoropaka nampiantso ny solontenan’ny mpitokona hiaraka hivory aminy eny Faravohitra ny Sekretera jeneralin’ny ministeran’ny fitsarana saingy nanda izany ry zareo. Tsy nanan-tsafidy afa-tsy nidina teny Anosy ingahy Sekretera jeneraly noho izany ary tamin’ny mitatao vovonana teo ho eo ny tenany no tonga teny. Nivory nandritra ny adiny iray teo ho eo ny roa tonta ary tsy azo natrehan’ny mpanao gazety izany. Nangataka tamin’ny biraon’ny SGM tsy hamoahana amin’ny mpanao gazety ny votoatin’ny fivoriana moa ingahy Sekretera jeneraly mandra-pahita marimaritra iraisaina. Nanamafy kosa anefa Rabenandrasana Nicolas fa mitohy ny fitokonana anio talata. Miray hina amin’ny SGM moa ry zareo mpitsara ary nanao fanambarana ofisialy momba izany mihitsy ny filohany omaly. Nilaza i Auguste Marius Arnaud, filohan’ny SMM fa ara-drariny sady ara-dalàna ny hetsika ataon’ny mpiraki-draharaha. Dingana farany hoy izy ny fitokonana satria efa tapitra avokoa ny antanantohatra rehetra. “Nisahana ny fikarakarana ny tombontsoan’ny mpiasa no andraikitro teo anivon’ny Ministera teo aloha ka mahalala tsara ny momba azy ireo. Misy ny lalàna mametra ny tombontsoan’izy ireo nefa tsy mety azo hatramin’izao. Na ny didy fampiharana aza tsy mbola mivoaka”, araka ny fanazavany. Raha ny voalazan’ny filohan’ny SGM indray dia nanaiky ny hitondra eo anivon’ny filankevitry ny minisitra ny hanamboarana ny tambin-karaman’izy ireo ahitana ny “indemnité de résidence”, “d’assistance”, “de transport” ary ny “indemnité de risque” ramatoa minisitry ny fitsarana raha natonina, efa-bolana lasa izay saingy nolaviny an-teny an’avona izany taty aoriana.

Yves

 Sary :

ENCADRE

Raha ho an’ny fitsarana Toamasina, dia tsy nisy raharaham-pitsarana nandeha raha ny omaly izay mbola hitohy ao anatin’ny roa herinandro raha tsy misy ny valiny mahafa-po sy fifanekena ara-taratasy. Niantona avokoa ny fitsarana ady heloka tokony ho nanomboka omaly ny andiany faha-4, tsy nisy koa ny fitsarana, tsy nisy ny “déferrement” avy amin’ny polisy sy ny zandary, niantona avokoa ireo famoahana didy samy hafa sy ireo raharaha ara-tsosialy fanaon’ny mpirakidraharaha, ary ny fangatahana famotsorana vonjy maika. Izay no nahatonga ny lehiben’ny fampanoavana ambony, Atoa Andriamahangy Georges, nilaza fa “eo am-pieritreretana ny fomba atao amin’ny ady heloka avy eny amin’ny polisy sy ny zandary izahay izao, satria tsy maintsy hajaina ny zon’ny voarohirohy. Ireo ady heloka tsotra kosa dia efa noraisina ny fepetra amin’ny famoahana datim-pitsarana amin’ny taona 2013 ho azy ireo”. 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Sekertera jeneraly
  • Alakamisy 07 Mey 2026

vaovaon’ny Minisiteran’ny jono

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alakamisy 07 Mey 2026

"Ny fizahantany dia afaka

  • Raharaha ENMG
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Ampiharo ny lalàna ! »

  • Fitrandrahana solika
  • Alakamisy 07 Mey 2026

any amin’ny Plateau Mahafaly

  • ZAZA 5 TAONA
  • Alakamisy 07 Mey 2026

NISY NAMONO TANY MANDRITSARA

  • ANKILILAOKA-RN 9
  • Alakamisy 07 Mey 2026

Sarona ny tambajotra mpitrandraka hazo tsy ara-dalana

Hijery ny tohiny
FTT