Actualités

Trésor Hakaton’ny mpiasa ny birao anio


  • Alarobia 12 Mey 2010


Hikatona avokoa ireo sampandraharahan’ny tahirim-bolam-panjakana na ny Trérsor manerana ny Nosy anio alarobia 12 mey ho fampiharana ny fanapahan-kevitr’ireo mpiasa. Fitokonana fanairana no atao mba hampitsaharan’ny fitondrampanjakana ny fanenjehana ny mpiasa. Raha ny voalazan’ny  peta-drindrina hita eny amin’ny biraon’ny sampandraharaha etsy Antaninarenina dia ny mpiasa hatrany no iharan’ny rihitra, miditra am-ponja noho ny hosoka amin’ny taratasim-bola sy tolo-bidy tsy manaraka ny fepetra ataon’ireo tompon’andraikitra sasantsasany. Takian’izy ireo, araka izany, ny fametrahana ny «Conseil de discipline budgétaire et financiaire» sy ny fanavaozana sy fanitsiana ny lalàna mifehy ny fitantanam-bolam-panjakana ary ny fanavaozana ny sata mifehy ny mpitam-bolam-panjakana. Izany no atao dia hisian’ny asa aman’andraikitra mazava amin’ireo sampandraharaha amin’ny fitantanam-bolam-panjakana sy ny fitehirizam-bolam-panjakana. 

Andry  

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fanapahan-kevitra stratejika
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Hanova mpamatsy solika i Madagasikara

  • Afera ara-tany goavana
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Mandeha ny fampiadiana

  • AMBALAMADIRO,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

ANKIABE SALOHY

  • Fanohanan’ny
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Faritra Analamanga

  • Varatra
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

nitera-doza

  • PM Rajaonarison Mamitiana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Manana ny programany i Madagasikara,

Hijery ny tohiny
FTT