Actualités

Tratry ny krizy Mitsoaka an-daharana ny mpianatra


  • Zoma 15 Oktobra 2010


Mihena ny tahan’ny fampidirana mpianatra eny amin’ny sekolim-panjakana vokatry ny krizy. Tsy araka ny ray aman-dreny ny saram-pianarana ka dia betsaka amin’ireo mpianatra mbola tokony hanohy fianarana no voatery mitsoaka an-daharana, misy amin’ireo kilonga tokony hisantatra sekoly koa aza no voatery nihemotra ny fandiavany ny tokotanin-tsekoly, noho io tsy fisiam-bola io ihany. Raha ny zava-misy amin’iny fari-piadidiam-pampianarana Tolagnaro iny ohatra dia fantatra fa niakatra ho 20.000Ar isan-jaza ny saram-pisoratana anarana eny amin’ny CEG. Betsaka amin’ireo ray aman-dreny, indrindra ireo manana zaza roa no mihoatra mianatra amin’ny sekoly ambaratonga faharoa, no voatery mampitsahatra amin’ny fianarana ny zanany noho ny tsy fisiam-bola.

Fa raharaha iray mahoraka ao Tolagnaro ihany koa ny disadisa misy eo amin’ny “économe” sy ny “proviseur” ao amin’ny Lycée. Araka ny fantatra dia namoaka naoty ity farany mampiato amin’ny asany ny “économe”. Mazava fa manda izany ity farany satria didim-panjakana no manendry azy ho amin’io toerana io. Misy fiantraikany eo amin’ny fampandehanana ny fampianarana ao amin’ity lycée ity izany.
 
Nangonin’i Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fanapahan-kevitra stratejika
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Hanova mpamatsy solika i Madagasikara

  • Afera ara-tany goavana
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Mandeha ny fampiadiana

  • AMBALAMADIRO,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

ANKIABE SALOHY

  • Fanohanan’ny
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Faritra Analamanga

  • Varatra
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

nitera-doza

  • PM Rajaonarison Mamitiana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Manana ny programany i Madagasikara,

Hijery ny tohiny
FTT