Actualités

Tratra nangala-badin'olona Vaky loha sady torana voadaroka ilay lehilahy 25 taona


  • Alarobia 22 Aprily 2015

Ela nangalaram-pitia tamina vadin’olona ka tratra, ary saika nanaraka hatramin’ny ain-dehibe. Tovolahy 25 taona no vaky loha sy nivindana tarehy naratra mafy ary torana vokatry ny daroka sy vono nahazo azy, ny sabotsy teo, tany Mangily Toliara II, ka tsy maintsy naiditra hopitaly.

 

 Tratran’ny tompom-bady ambodiomby nangala-pitia sy niray tamin’ny vadiny ity tovolahy ity, ny alin’ny zoma teo. Raha ny vaovao voaray dia efa ela rangahy tompom-bady no nitily sy nanara-maso ny fiarahan’izy roa. Tratra anefa ny nafenina hatrizay tamin’io ny zoma alina teo. Ny sabotsy naraina, navory ny fokonolona, raikitra ny kabary ambany kily (fomban-tany). Tamin’io fotoanan’ny kabary io anefa, nanda ny fiampangana azy ilay tovolahy, ary nilaza fa ilay ramatoa sahabo ho 30 taona no nisarizoro sy nitory fitia taminy, satria hono efa garora (antitra) ny vadiny ka tsy manome fitia lafatra azy. Tezitra ny tompom-bady sy ny fianakaviany raha nandre izany, ka nidaroka an’ilay tovolahy mpangala-badin’olona. Izy efa tsy nahatsiaro tena no nentina namonjy haingana hopitaly.

Eric R.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • 48 ora taorian’ny
  • Zoma 23 Oktobra 2026

fanambaran’ny PRRM

  • SALON
  • Zoma 23 Oktobra 2026

INTERNATIONAL DE L’HABITAT

  • Fandraharahana
  • Zoma 23 Oktobra 2026

ara-pizahantany

  • GRANDE BRADERIE
  • Zoma 23 Oktobra 2026

DE MADAGASCAR

  • Ady amin’ny kolikoly
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ara-tany goavana Andrasana ny

  • Lalàna mifehy
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ny fampiasana ny teknolojia nokleary

Hijery ny tohiny
FTT