Actualités

Tranon’ny ministeran’ny Fifandraisana Nisy naka an-tsokosoko ny hofan-trano Ar 96 tapitrisa


  • Zoma 20 Aogositra 2010

Nanomboka ny alatsinainy teo ity resaka ity no nipoitra indray taorian’ilay ady teo amin’ny ministeran’ny fitantanam-bola sy ny tompon’ilay orinasa nanavao ity trano etsy Ampatsakana ity.

Araka ny didim-pitsarana mantsy rehefa tsy nahaloa ny volan’ity orinasa ity ny tompon’ny trano izay ny Rosianina dia any amin’ny orinasa nanavao ny trano no tokony handoavana ny hofan-trano mandrapahatonga ny vola lanin’izy ireo nanavaozana ny trano. Hatramin’ny volana aprily fotoana tokony handraisany izay hofan-trano izay ka hatramin’izao anefa dia tsy nandray izany ity orinasa ity na ny ariary aza. Tonga teny amin’ny Ministeran’ny Vola ny raharaha kanefa fandavana no setrin’izany. Nandeha ny fotoana ka henon’ireo tompon’ilay orinasa fa voaloa ihany ny hofan-trano saingy amin’olon-kafa. Nametraka fitoriana ny tompon’ilay orinasa nanamboatra ilay trano misy ny ministeran’ny Fifandraisana sy ny Hat. Ny alatsinainy teo no nosamborin’ny zandary eny Betongolo ny olona roa izay tomponandraikitra ao amin’ny orinasa iray mitantana ny fananan’ny Rosianina eto Madagasikara. Araka ny loharanom-baovao dia nanaiky ireo olona ireo fa nandray ilay vola 96 tapitrisa ariary ary lelavola no nandraisan’izy ireo izany.

Tamin’ny fanadihadiana ihany koa no nahalalana fa vola tao amin’ny tetibolan’ny Antenimierandoholona no nandoavana ireo vola ireo raha tokony ho ny fanjakana mivantana avy amin’ny alalan’ny Tahirim-bolampanjakana no hanaovana azy. Noho izany anton’izany dia natao famotorana eny Betongolo avokoa ireo tomponandraikitry ny vola eo anivon’ny Antenimierandoholona tamin’ity herinandro ity. Omaly moa no tokony ho natolotra ny fitsarana ity raharaha ity kanefa nahemotra amin’ny herinandro indray izany. 

Fa

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fanapahan-kevitra stratejika
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Hanova mpamatsy solika i Madagasikara

  • Afera ara-tany goavana
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Mandeha ny fampiadiana

  • AMBALAMADIRO,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

ANKIABE SALOHY

  • Fanohanan’ny
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Faritra Analamanga

  • Varatra
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

nitera-doza

  • PM Rajaonarison Mamitiana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Manana ny programany i Madagasikara,

Hijery ny tohiny
FTT