Actualités

Tranon’ny Ministeran’ny Fifandraisana Hofan-trano 800 tapitrisa Ariary tsy voaloa ?


  • Alakamisy 15 Jolay 2010

Vola mitentina 4 miliara iraimbilanja, valonjato tapitrisa ariary, no tokony haloa amin’ny hofan-trano amin’ilay trano misy ny ministeran’ny Fifandraisana etsy Ampefiloha. Olana teo amin’ny orinasa rosianina nanao ny fifanarahana tamin’ny orinasa Manda no nahatonga ny olana.

Nanana fifanarahana tamin’ny orinasa Manda mantsy ilay orinasa rosianina miandraikitra ny fananan’i Rosia ivelan’ity firenena ity ny amin’ny hanavaozana ity fananan’ny Rosianina etsy Ampefiloha ity.

Novitain’ilay orinasa Manda soa aman-tsara ilay trano saingy tsy voaloa ny volany mitentina 4 miliara iraimbilanja. Nitory teny amin’ny Fitsarana ilay orinasa malagasy ary nahazo ny fandresena hatrany. Ny farany teo tamin’ny 28 mey tany amin’ny Fitsarana Tampony, namoaka didy ity farany fa foanana ny fifanarahana teo amin’ilay orinasa rosianina sy ny fanjakana izay manofa ilay trano. Mandidy koa ny Fitsarana Tampony fa manao fifanarahana vaovao ny Manda sy ny fanjakana ka any amin’iry voalohany no aloa ny hofan-trano.
Araka ny fantatra dia efa nahavita io fifanarahana vaovao io ny ministeran’ny Fifandraisana sy ny orinasa Manda. Rehefa tonga teny amin’ny ministeran’ny vola anefa ilay izy dia nolavin’ny ministry ny vola. «Nangataka ny hihaona taminy foana izahay saingy omaly (mantsy ny afak’omaly) dia ny talen’ny kabinetrany no nandray anay ary nilaza fa nolavin’ny ministra ilay fifanarahana», hoy ny avy amin’ny Manda.
Mipoitra indray eto ny tsy fanoavana ny didy avoakan’ny fitsarana. Tahaka ny raharaha nitranga tany Manakara izay nanaovana tsinontsinona ny didin’ny Fitsarana Tampony dia izao koa ity resaka etsy Ampefiloha ity. Ho hita eo ny tohiny.
 
Fa

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fanapahan-kevitra stratejika
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Hanova mpamatsy solika i Madagasikara

  • Afera ara-tany goavana
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Mandeha ny fampiadiana

  • AMBALAMADIRO,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

ANKIABE SALOHY

  • Fanohanan’ny
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Faritra Analamanga

  • Varatra
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

nitera-doza

  • PM Rajaonarison Mamitiana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Manana ny programany i Madagasikara,

Hijery ny tohiny
FTT