Tsy ho vita mihitsy ny tantara eo amin’ ny fanjakana sy Marc Ravalomanana izay iharan’ny antsojay efa ho isan`andro.
Fanapotehana sy sakana hatrany no mahazo an’ity filoha nasionalin’ny antoko politika Tiako I Madagasikara ity isaky ny mba hampandroso. Mimenomenona hatrany moa ireo mpomba an-dRavalomanana Marc mikasika ny fampiharana ny fepetra amin’ny orinasany ka nanagiazana ny fitoeran’entan’ny Tiko eny Tanjombato sy ny etsy Behoririka ary ny any Andranomanelatra dia vao haingana indray nitohy amin’ny fandrodanana ataon’ny minisitera eo anivon'ny fiadidian'ny Repoblika misahana ny tetikasan'ny filoham-pirenena, ny fanajariana ny tany sy ny fampitaovana an’ilay trano miorina amin’ny “Romanor” etsy Ankorondrano. Efa ho isan`andro ny paik`ady handotoana ny Filoha Ravalomanana ,ary re indray izao fa efa misy ny tetika hanapaka ny herinaratra etsy amin`ny trano fonenany etsy Faravohitra. Hitovitovy tamin’ny natao tany Andranomanelatra ihany ny fomba fiasa mety ho ampiharina ho an’ny trano eny Faravohitra raha ny tsiliantsofina re.
Atao tsy misotro rano
Efa tahaka ny tantara fahiny sisa ny resaka fampihavanam-pirenena, mifanohitra tanteraka amin’ny lalan-tsaina itondrana izany mantsy ny fihetsiky ny mpitondra ankehitriny.Mahazo ny anjarany manokana i Marc Ravalomanana satria hita fa kandida matanjaka sy mamim-bahoaka ary manana ny hoenti-manana hifaninanana amin’ny kandidam-panjakana.Misy mihitsy ireo manampahefana ambony mahatafavoaka teny tsy voahevitra rehefa misotrosotro any anaty fety ka milaza fa : “ ataonay tsy misotro rano io Ravalomanana an’lisany io e..”.Izany no fomba fisainan’ny manampahefana eto ankehitriny ary tena misy amin’izy ireo no vonona hanaotao foana mihitsy noho ny fialonana sy ny fankahalana.Izany ve no mitondra any amin’ny Fisandratana ?
Marigny A.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.